SAROTRA NY ZAVATRA MENDRIKA REHETRA
“Midira amin’ny vavahady ety . . . satria ety ny vavahady, ary tery ny lalana. . .”
Matio 7:13-14
Raha hiaina amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy antsika isika, dia tsy maintsy tsaroantsika fa sarotra ny zavatra mendrika rehetra. Sarotra amim-boninahitra ny fiainana Kristiana, nefa tsy mampireraka sy mampilefitra antsika izany fahasarotany izany, fa manaitra antsika handresy. Mankasitraka lalina ny famonjena mahatalanjona avy amin’i Jesosy Kristy ve isika ka manome ny fara herintsika ho an’izay avo indrindra ho Azy?
Mamonjy ny olona amin’ny fahasoavany feno fiandrianana amin’ny alalan’ny asa fampihavanana nataon’i Jesosy Andriamanitra; miasa ao anatintsika Izy mba hahatonga antsika sady haniry no hanao araka ny sitrapony; nefa tsy maintsy tanterahintsika eo amin’ny fiainana azo ampiharina izany famonjena izany. Raha vao manomboka eo amin’ny fototry ny fanavotany isika ka manao izay andidiany, dia hitantsika fa vitantsika izany. Raha tsy mahomby isika, dia satria tsy nampihatra. Hampiharihary ny fotoan-tsarotra na nampihatra isika na tsia. Raha mankatò ny Fanahin’Andriamanitra isika ka mampihatra eo amin’ny fiainantsika ara-batana izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika tamin’ny Fanahiny, rehefa tonga ny fotoan-tsarotra, dia ho hitantsika fa hanohana antsika ny toetra voajanaharintsika sy ny fahasoavan’Andriamanitra.
Isaorana Andriamanitra fa tena manome antsika zava-tsarotra hatao Izy! Zavatra mahafaly ny famonjeny, nefa zavatra mahery fo, sy masina koa izany. Mitsapa ny hasarobidintsika rehetra izany. Mitondra "zanaka" maro ho amin’ny voninahitra i Jesosy, ary tsy hiaro antsika amin’izay takina amin’ny zanaka Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia mamokatra lehilahy sy vehivavy manana fitoviam-pianakaviana miharihary amin’i Jesosy Kristy, fa tsy olona osa sy be fitarainana[1]. Mitaky fifehezana lehibe dia lehibe ny miaina ny fiainana mendrika an’ny mpianatr’i Jesosy eo amin’ny zavatra tena misy. Ilaina foana ny miezaka mba ho mendrika.