FAHITANA SY ZAVA-MISY
“Ary ny tany karankaina ho tonga farihy.”
Isaia 35:7
Manana fahitana foana isika, alohan’ny hahatongavan’ny zavatra iray ho tena zava-misy. Rehefa tsapantsika fa na dia tena izy aza ilay fahitana, dia mbola tsy tena zava-misy ao anatintsika, amin’izay indrindra Satana no miditra miaraka amin’ny fakam-panahiny, ary mora amintsika ny milaza fa tsy misy antony tokony hanohizana. Tsy ilay fahitana no tonga tena zava-misy, fa ny lohasahan’ny fanetren-tena no tonga.
"Ny fiainana tsy toy ny akora tsy ampiasaina, Fa vy voahady tao amin’ny haizina lalina, Ary nokapohin’ireo dona avy amin’ny anjara
Mba hamolavolana sy hampiasana azy." Omen’Andriamanitra antsika ilay fahitana, dia entiny midina any an-dohasaha isika mba hokapohiny hifanaraka amin’ny endrik’ilay fahitana, ary any an-dohasaha no maro amintsika no reraka sy milefitra. Hampanjary tena zava-misy ny fahitana rehetra raha manam-paharetana isika. Eritrereto ny fotoana malalaka tsy manam-petra ananan’Andriamanitra! Tsy maika velively Izy. Isika kosa maika mafy mandrakariva. Mivoaka hanao zavatra eo amin’ny fahazavan’ny voninahitr’ilay fahitana isika, nefa mbola tsy tena zava-misy ao anatintsika izany; ary tsy maintsy entin’Andriamanitra mankao an-dohasaha isika, ka ampandaloviny amin’ny afo sy ny safo-drano mba hokapohina hiforona, mandra-pahatongantsika eo amin’izay hahafahany matoky antsika amin’ilay zava-misy tena izy. Hatramin’ny nahazoantsika ilay fahitana dia efa niasa Andriamanitra, namolavola antsika hifanaraka amin’ilay endrika tonga lafatra, nefa miverimberina isika no mandositra ny tanany ka manandrana mikapoka ny tenantsika hifanaraka amin’ny endrika noforonintsika.
Tsy lapa eny amin’ny rahona ilay fahitana, fa fahitana ny amin’izay tian’Andriamanitra hahatonga anao. Avelao Izy hametraka anao eo amin’ny kodiarany sy hampihodina anao araka izay sitrany, ary azo antoka tahaka ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy maha-ianao anao, dia hiforona hifanaraka tsara amin’ilay fahitana ianao. Aza kivy mandritra izany dingana izany. Raha efa nahita ny fahitan’Andriamanitra ianao, dia azonao atao ny miezaka araka izay tianao mba ho afa-po amin’ny ambaratonga ambany kokoa, nefa tsy hamela anao mihitsy Andriamanitra.