AZA MANAO KAJY TSY MISY AN’ANDRIAMANITRA
“Ankino amin’ny Tompo ny lalanao; matokia Azy koa; ary hotanterahiny izany.”
Salamo 37:5
Aza manao kajy tsy misy an’Andriamanitra.
Toa manana fomba mahafinaritra handravana ireo zavatra nokajintsika nefa tsy nampidirantsika Azy Andriamanitra. Tafiditra ao amin’ny toe-javatra izay tsy nofidin’Andriamanitra isika, ary tampoka eo dia hitantsika fa nanao kajy tsy nisy an’Andriamanitra isika; tsy nampidirintsika ho singa velona Izy. Ny zavatra tokana miaro antsika tsy ho tratran’ny fanahiana dia ny fampidirana an’Andriamanitra ho singa lehibe indrindra amin’ny kajintsika rehetra.
Fanao amin’ny fivavahantsika ny mametraka an’Andriamanitra ho loha laharana, nefa mora amintsika ny mihevitra fa fahasahisahiana tafahoatra ny mametraka Azy ho loha laharana amin’ireo raharaha azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika. Raha heverintsika fa tsy maintsy mitafy ny toe-po amin’ny Alahady aloha isika vao manatona an’Andriamanitra, dia tsy hanatona Azy mihitsy. Tsy maintsy manatona amin’izao maha-isika antsika izao isika.
Aza manao kajy ka ny ratsy no atao ao an-tsaina.
Tena tian’Andriamanitra ve ny tsy handinihantsika ny ratsy? "Ny fitiavana . . . tsy manao kajy ny ratsy." Tsy hoe tsy mahalala ny fisian’ny ratsy ny fitiavana, fa tsy mandray azy ho singa hanaovana kajy. Rehefa tsy miaraka amin’Andriamanitra isika, dia tena manisa ny ratsy; ataontsika ao an-tsaina izany rehefa manao kajy ary avy amin’izany fomba fijery izany no anorenantsika ny fisainantsika rehetra.
Aza manao kajy ka ny andro orana ho avy no atao ao an-tsaina.
Tsy afaka manangona ho amin’ny andro orana ianao raha matoky an’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy — "Aza malahelo ny fonareo." Tsy hiaro ny fonao tsy halahelo Andriamanitra. Didy izany — "Aza . . ." Fehezo mafy ny tenanao iraika amby zato isan’andro mba hanatanterahana izany, mandra-pahazatrao mametraka an’Andriamanitra ho loha laharana sy manao kajy ka Izy no atao ao an-tsaina.