NY FIARAHAMONINA ARA-PANAHY
“Mandra-pahatongantsika rehetra . . . amin’ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”
Efesiana 4:13
Ny famerenana amin’ny laoniny dia midika ho famerenana ny taranak’olombelona manontolo ho ao amin’ilay fifandraisana izay nokasain’Andriamanitra hitoerany, ary izany no nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny fanavotana. Tsy fiarahamonina ara-panahy intsony ny Fiangonana rehefa mikatsaka ny hampivelatra ny rafitra misy azy. Ny famerenana ny taranak’olombelona amin’ny laoniny araka ny drafitr’i Jesosy Kristy dia midika ho fampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy eo amin’ny fiainana iombonana sy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Noho izany fikasana izany no nanirahan’i Jesosy Kristy apostoly sy mpampianatra — mba hampanjary ilay Maha-olona iombonana ho tena zava-misy. Tsy eto isika mba hampivelatra fiainana ara-panahy ho antsika manokana, na hankafy fitokana-monina ara-panahy; eto isika mba hampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy ka hahazoana manangana ny Tenan’i Kristy.
Manangana ny Tenan’i Kristy ve aho, sa ny fivoarako manokana ihany no tadiaviko? Ny zava-dehibe indrindra dia ny fifandraisako manokana amin’i Jesosy Kristy — "Mba izaho no hahalala Azy." Ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra dia midika ho fahafoizana tanteraka ho Azy. Isaky ny maniry zavatra ho an’ny tenako aho, dia voaolana ilay fifandraisana. Ho fanetren-tena lehibe ny fahatsapana fa tsy ny fampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy no nahahiran-tsaiko, fa ny fampanjary izay nataony ho ahy ihany.
"Andriamanitra mihitsy no tanjoko, fa tsy fifaliana na fiadanana,
Na fitahiana aza, fa Izy mihitsy, Andriamanitro." Mandrefy ny fiainako amin’io fenitra io ve aho sa amin-javatra ambany kokoa?