NY FEPETRY NY MAHA-MPIANATRA
“Raha misy manatona Ahy, ka tsy mankahala . . . dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.”
Lioka 14:26, ary koa 27, 33
Raha mifandona amin’izay takin’i Jesosy Kristy ireo fifandraisana akaiky indrindra eo amin’ny fiainana, dia milaza Izy fa tsy maintsy mankatò Azy avy hatrany isika. Ny maha-mpianatra dia fanoloran-tena manokana, mirehitra ho an’Olona iray, dia i Jesosy Kristy Tompontsika. Tsy mitovy ny fanoloran-tena ho an’Olona iray sy ny fanoloran-tena ho an’ny foto-kevitra na ny raharaha iray. Tsy nanambara raharaha iray mihitsy ny Tompontsika; fanoloran-tena manokana ho Azy no nambarany. Ny hoe mpianatra dia ny hoe andevom-pitiavana mahafoy tena ho an’i Jesosy Tompo. Maro amintsika milaza tena ho Kristiana no tsy mahafoy tena ho an’i Jesosy Kristy. Tsy misy olona etỳ an-tany manana izany fitiavana mirehitra an’i Jesosy Tompo izany raha tsy efa nampitan’ny Fanahy Masina izany taminy. Afaka midera Azy isika, afaka manaja Azy sy manome voninahitra Azy, nefa tsy afaka mitia Azy. Ny Fanahy Masina irery no tena Mpankatia an’i Jesosy Tompo, ary Izy no mandrotsaka ny fitiavan’Andriamanitra mihitsy ao am-pontsika. Isaky ny mahita fotoana hankalazana an’i Jesosy ny Fanahy Masina, dia horaisiny ny fonao, ny hozatrao, ny maha-olonao manontolo, ka hataony mirehitra sy mamirapiratra tsotra izao amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jesosy Kristy ianao.
Ny fiainana Kristiana dia voatomboky ny ‘fahaizana mamorona zava-baovao ara-pitondrantena mipoitra ho azy,’ koa iharan’ilay fiampangana nahazo an’i Jesosy Kristy ihany ny mpianatra, izany hoe, ny hoe tsy mifanaraka amin’ny tenany. Nefa nifanaraka tamin’Andriamanitra mandrakariva i Jesosy Kristy, ary ny Kristiana dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao anatiny, fa tsy amin’ny fanekem-pinoana henjana sy tsy azo ahodina. Mandraraka ny tenany ao anatin’ny fanekem-pinoana ny olona, ary tsy maintsy apoakan’Andriamanitra hiala amin’ny fitsarana an-tendrony izy vao afaka mahafoy tena ho an’i Jesosy Kristy.