NY SAZY TSY AZO IALANA
“Lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy hivoaka ao mihitsy ianao, mandra-pandoanao ny farantsakely farany indrindra.”
Matio 5:26
Tsy misy lanitra ahitana zoron’ny helo kely. Tapa-kevitra Andriamanitra ny hahatonga anao ho madio sy masina ary mahitsy; tsy hamela anao handositra na dia indray mipi-maso aza amin’ny fandinihan’ny Fanahy Masina Izy. Nampirisika anao Izy mba hiseho avy hatrany eo amin’ny fitsarana fony Izy nampahatsapa heloka anao, nefa tsy nanaiky ianao; nanomboka niasa ilay dingana tsy azo ialana ka any am-ponja ianao izao, ary tsy hivoaka raha tsy efa nandoa ny farantsakely farany indrindra. "Andriamanitra be famindram-po, sady be fitiavana ve izany?" hoy ianao. Raha jerena avy amin’ny lafin’Andriamanitra, dia fanompoam-pitiavana be voninahitra izany. Hamoaka anao ho madio sy tsy misy pentina ary tsy voaloto Andriamanitra; nefa tiany hiaikinao ilay toe-panahy nasehonao — dia ilay toe-panahy mitaky ny zonao amin’ny tenanao. Raha vao manaiky ianao fa hanova ny toe-panahy manjaka ao anatinao Andriamanitra, dia hanomboka hiasa ny heriny mamorona anao indray. Raha vao tsapanao ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hampifandray anao Aminy araka ny tokony ho izy ary avy eo amin’ny mpiara-belona aminao, dia hampiasainy hatramin’ny fetra farany amin’izao rehetra izao mba hanampiana anao handray ny lalana mahitsy. Manapaha hevitra izao — "Eny, Tompo ô, hanoratra izany taratasy izany aho anio alina"; "hihavana amin’io olona io aho izao."
Miantefa amin’ny sitrapo sy ny fieritreretana ireo hafatr’i Jesosy Kristy ireo, fa tsy amin’ny saina. Raha ny sainao no entinao miady hevitra amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, dia hanadonto ny antso miantefa amin’ny fonao ianao.
"Manontany tena aho hoe nahoana no tsy mandroso miaraka amin’Andriamanitra?" Mandoa ny trosanao araka ny fijerin’Andriamanitra ve ianao? Ataovy izao izay tsy maintsy hataonao indray andro any. Ao ambadiky ny antso ara-pitondrantena rehetra dia misy ny hoe "tokony".