VOATANAN’ANDRIAMANITRA
“Mba hihazona izay antony efa nihazonana ahy koa aho.”
Filipiana 3:12
Aza mifidy ny ho mpiasa mihitsy; fa raha vao nametraka ny antsony taminao Andriamanitra, dia lozanao raha mivily any amin’ny havanana na any amin’ny havia ianao. Tsy eto isika hiasa ho an’Andriamanitra satria nifidy hanao izany, fa satria efa nihazona antsika Andriamanitra. Tsy misy mihitsy ilay eritreritra hoe — "Indrisy, eny àry, tsy sahaza hanao ity aho." Andriamanitra no mamaritra izay tokony hotorinao, fa tsy ny fironanao voajanahary. Tazomy hifandray mafy amin’Andriamanitra ny fanahinao, ary tsarovy fa tsy ny hijoro ho vavolombelona ihany no niantsoana anao, fa ny hitory ny filazantsara koa. Tsy maintsy mijoro ho vavolombelona ny kristianina rehetra, fa rehefa tonga amin’ny antso hitory, dia tsy maintsy misy ny fihazonan’ny tanan’Andriamanitra anao mafy ka mampijaly, voatana ao amin’Andriamanitra ho an’io zavatra tokana io ny fiainanao. Firy amintsika no voatana toy izany?
Aza manalefaka ny tenin’Andriamanitra mihitsy, torio amin’ny hamafiny tsy nalefaka izany; tsy maintsy misy fahatokiana tsy mihemotra amin’ny tenin’Andriamanitra; kanefa rehefa mifampiraharaha manokana amin’ny mpiara-belona aminao ianao, dia tsarovy hoe iza ianao — tsy olona manokana noforonina tany an-danitra, fa mpanota voavonjin’ny fahasoavana.
"Tsy ataoko ho efa nihazona izany aho: fa izao zavatra iray izao no ataoko . . ."