Fisaintsainana isan’andro

NY TARI-DALAN’NY FAMPIOFANANA

Ary raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ka ario hiala aminao: fa mahasoa anao ny hahavery ny iray amin’ny momba ny tenanao, toy izay hanariana ny tenanao manontolo any amin’ny helo.

Matio 5:30

Tsy nilaza i Jesosy fa tsy maintsy manapaka ny tanana ankavanana ny olona rehetra, fa izao — Raha manafintohina anao eo amin’ny fiarahanao mandeha Amiko ny tananao ankavanana, dia tapaho. Maro ny zavatra azo atao ara-drariny tanteraka, kanefa raha hampifantoka ny sainao amin’Andriamanitra ianao dia tsy afaka manao izany. Anisan’ny zavatra tsara indrindra anananao ny tananao ankavanana, kanefa, hoy i Jesosy, raha misakana anao tsy hanaraka ny didiny izany, dia tapaho. Io lalan’ny fampiofanana io no henjana indrindra efa namely ny olombelona.

Rehefa manova olona iray amin’ny alalan’ny fahaterahana ara-panahy indray Andriamanitra, dia ny maha voakilema azy no mampiavaka ny fiainana amin’ny voalohany. Misy zavatra zato sy iray izay tsy sahinao atao, dia zavatra izay tahaka ny tananao ankavanana sy ny masonao aminao sy eo imason’izao tontolo izao mahalala anao, ka hoy ny olona tsy ara-panahy — Inona no tsy mety amin’izany? Tena tsy mitombina ianao! Tsy mbola nisy olo-masina na iray aza izay tsy voatery niaina fiainana voakilema tamin’ny voalohany. Kanefa tsara kokoa ny miditra ao amin’ny fiainana sady voakilema no mahatehotia eo imason’Andriamanitra toy izay mahatehotia eo imason’ny olona fa mandringa eo imason’Andriamanitra. Amin’ny voalohany dia tsy maintsy sakanan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny Fanahiny ianao tsy hanao zavatra maro be izay mety ho marina tanteraka ho an’ny olon-kafa rehetra kanefa tsy marina ho anao. Ataovy izay tsy hampiasanao ny fetranao hitsikerana olon-kafa.

Fiainana voakilema izany amin’ny voalohany, kanefa ao amin’ny andininy 48 dia asehon’i Jesosy ny sarin’ny fiainana feno amin’ny lafiny rehetra — "Ho tanteraka, tahaka ny fahatanterahan’ny Rainareo any an-danitra ianareo."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana