ILAY FAMONJENA MANOKANA MANARONA NY ZAVATRA REHETRA
“Momba anao Aho mba hamonjy anao, hoy ny Tompo.”
Jeremia 1:8
Nampanantena an’i Jeremia Andriamanitra fa hamonjy azy manokana Izy — "Homeko anao ho babo ny ainao." Izany ihany no ampanantenain’Andriamanitra ny zanany. Na aiza na aiza anirahan’Andriamanitra antsika, dia hiaro ny aintsika Izy. Tsy misy lanjany ny fananantsika manokana sy ireo zavatra ananantsika, tsy maintsy mamotsotra ny fihazonantsika ireo zavatra rehetra ireo isika; raha tsy manao izany isika, dia hisy tahotra tampoka sy fo torotoro ary fahoriana. Izany no hevitra lalina ao anatin’ilay famonjena manokana manarona ny zavatra rehetra.
Asehon’ny Toriteny teo An-tendrombohitra fa rehefa manatanteraka ny irak’i Jesosy Kristy isika, dia tsy misy fotoana hiarovana ny tenantsika. Hoy i Jesosy, raha fintinina, Aza manahy raha anaovana ny rariny ianao na tsia. Famantarana ny fiviliana hiala amin’ny fanoloran-tena ho Azy ny fitadiavana rariny. Aza mitady rariny eto amin’izao tontolo izao mihitsy, fa aza mitsahatra manome izany. Raha mitady rariny isika, dia hanomboka himonomonona sy hanaram-po amin’ny tsy fahafaham-po vokatry ny fangorahana tena — Nahoana aho no tokony horaisina toy izao? Raha manolo-tena ho an’i Jesosy Kristy isika dia tsy anjarantsika ny miraharaha izay hitantsika, na marina izany na tsy marina. Hoy i Jesosy — Tohizo tsara izay efa nasaiko nataonao dia hiaro ny ainao Aho. Raha miezaka miaro izany samirery ianao, dia manaisotra ny tenanao tsy ho ao amin’ny famonjeko. Manjary tsy mino an’Andriamanitra amin’ity lafiny ity ireo mpivavaka indrindra amintsika; tsy mino an’Andriamanitra isika, fa manandratra ny saina mahazatra ho eo amin’ny seza fiandrianana ka mametaka ny anaran’Andriamanitra aminy. Miantehitra amin’ny fahatakarantsika manokana tokoa isika, fa tsy matoky an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo.