Fisaintsainana isan’andro

ANKEHITRINY MANDRAKARIVA

Izahay . . . dia mangataka aminareo mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra.

2Korintiana 6:1

Tsy ampy ho an’ny androany ny fahasoavana nanananao omaly. Ny fahasoavana dia ny fankasitrahan’Andriamanitra mirotsaka mihoatra ny fetra; azonao antoka mandrakariva fa eo izany ka azo isintonana. "Amin’ny faharetana lehibe, amin’ny fahoriana, amin’ny filàna, amin’ny fahasahiranana" — eo no tonga ny fitsapana ny faharetana. Tsy mahatratra ny fahasoavan’Andriamanitra ve ianao eo? Milaza ve ianao hoe — Indrisy, eny àry, amin’ity indray mitoraka ity dia tsy hataoko ho anisan’izany? Tsy resaka mivavaka sy mangataka an’Andriamanitra hanampy anao izany; fa mandray ny fahasoavan’Andriamanitra ankehitriny. Ataontsika fanomanana ho an’ny asa ny vavaka, kanefa tsy toy izany mihitsy izany ao amin’ny Baiboly. Ny vavaka dia fampiasana ny fisintonana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Aza milaza hoe — Hiaritra izany aho mandra-pahafahako miala ka mivavaka. Mivavaha ankehitriny; misintòna avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fotoana ilana izany. Ny vavaka no zavatra azo ampiharina indrindra, fa tsy asa valin’ny fanoloran-tena fotsiny. Ny vavaka no zavatra farany ianarantsika isintonana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

"Amin’ny kapoka, amin’ny fanagadrana, amin’ny fikorontanana, amin’ny asa" — ao amin’ireo zavatra rehetra ireo dia asehoy ny fisintonana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay hahatonga anao ho zava-mahagaga amin’ny tenanao sy ny hafa. Misintòna izao, fa tsy atsy ho atsy. Ny teny tokana ao amin’ny voambolana ara-panahy dia ny hoe Ankehitriny. Avelao ny toe-javatra hitondra anao any amin’izay itiavany, tohizo ny fisintonana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny toe-javatra rehetra azo eritreretina mety hisy anao. Anisan’ny porofo lehibe indrindra fa misintona avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ianao ny fahafahanao ho afa-baraka nefa tsy maneho soritra kely na dia iray aza afa-tsy ny fahasoavany.

"Tsy manana na inona na inona . . ." Aza mitahiry na inona na inona mihitsy. Arotsahy ny tsara indrindra anananao, ary mitoera ho mahantra mandrakariva. Aza mampiasa hafetsena sy mitandrina tafahoatra momba ny harena omen’Andriamanitra. Izany no fahantrana mandresy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana