Fisaintsainana isan’andro

MANDRAY NY TENA AO AMIN’NY AFON’NY ALAHELO

Inona no holazaiko? Ray ô, vonjeo Aho, ho afaka amin’ity fotoana ity? Kanefa noho izany indrindra no nahatongavako ho amin’ity fotoana ity. Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.

Jaona 12:27-29 (R.V.)

Ny toe-tsaiko amin’ny maha olo-masina manoloana ny alahelo sy ny fahasahiranana dia tsy ny hangataka mba hosakanana ireny, fa ny hangataka mba hitahirizako ilay maha-izaho ahy araka izay namoronan’Andriamanitra ahy mandritra ny famakivakiana ny afon’ny alahelo rehetra. Nandray ny tenany tao amin’ny afon’ny alahelo ny Tompontsika, tsy ho afaka tamin’ilay fotoana no namonjena Azy, fa hivoaka avy tao amin’ilay fotoana.

Milaza isika fa tsy tokony hisy alahelo, kanefa misy alahelo, ary tsy maintsy mandray ny tenantsika ao amin’ny afony isika. Raha manandrana misoroka ny alahelo isika, ka mandà tsy hihevitra azy ho zava-misy[1], dia adala isika. Anisan’ny zava-misy lehibe indrindra eo amin’ny fiainana izany; tsy misy ilàna ny milaza fa tsy tokony hisy ny alahelo. Misy ny fahotana sy ny alahelo ary ny fijaliana, ary tsy anjarantsika ny milaza fa nanao fahadisoana Andriamanitra tamin’ny namelany ireny hisy.

Mandoro ny ampahany lehibe amin’ny fahamaivanan-tsaina ny alahelo, kanefa tsy manatsara olona iray mandrakariva izany. Na manome ahy ny tenako ny fijaliana na mandrava ny tenako. Tsy afaka mandray ny tenanao ao amin’ny fahombiazana ianao, very saina ianao; tsy afaka mandray ny tenanao ao amin’ny fiainana mankaleo ianao, mimonomonona ianao. Ao amin’ny afon’ny alahelo no lalana hahitana ny tenanao. Zavatra hafa ny antony tsy maintsy maha toy izany azy, kanefa samy manamarina fa toy izany ny Soratra Masina sy ny zavatra iainan’ny olombelona. Fantatrao mandrakariva ny olona izay nandalo ny afon’ny alahelo ka nandray ny tenany, azonao antoka fa afaka manatona azy ao anatin’ny fahoriana ianao ary hahita fa manana fotoana malalaka ampy ho anao izy. Raha tsy nandalo ny afon’ny alahelo ny olona iray, dia mety hanamavo ny hafa izy, tsy manana fotoana ho anao izy. Raha mandray ny tenanao ao amin’ny afon’ny alahelo ianao, dia hataon’Andriamanitra sakafo mamelona ho an’ny olon-kafa.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana