NY FITSAPANA TSY MIVILY
“Fa araka ny fitsarana izay itsaranareo, no hitsarana anareo; ary araka ny famarana izay amarànareo, no hamarana ho anareo indray.”
Matio 7:2
Tsy vinavina sendra atao izany fanambarana izany, fa lalàn’Andriamanitra mandrakizay. Na inona na inona fitsarana ataonao, dia haverina ho refesina aminao indray izany. Misy fahasamihafana ny famalian-dratsy sy ny valin’asa ara-drariny. Nilaza i Jesosy fa ny valin’asa ara-drariny no fototry ny fiainana — "araka ny famarana izay amarànareo, no hamarana ho anareo indray." Raha fetsy tamin’ny fitadiavana ny kileman’ny hafa ianao, dia tsarovy fa izany indrindra no famarana homena anao. Mamerina aminao amin’ny vola nampiasainao ny fiainana. Miasa midina avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra io lalàna io (ampit. Salamo 18:25-26).
Mampihatra izany amin’ny fomba voafaritra kokoa aza ny Romana 2, ka milaza fa meloka amin’ilay zavatra tsikerainy ihany ilay olona mitsikera ny hafa. Tsy ny asa ihany no jeren’Andriamanitra, fa ny mety ho vitan’ny olona koa. Amin’ny voalohany dia tsy mino ny fanambaran’ny Baiboly isika. Ohatra, mino izao fanambarana izao ve isika, fa meloka amin’ny zavatra tsikeraitsika ao amin’ny hafa isika? Ny ahitantsika fihatsarambelatsihy sy fitaka ary tsy maha tena izy ao amin’ny hafa dia satria ao am-pontsika avokoa ireo. Ny fanetren-tena no toetra lehibe mampiavaka ny olo-masina — Eny, ho naseho tao anatiko avokoa ireo zavatra rehetra ireo sy ny ratsy hafa raha tsy noho ny fahasoavan’Andriamanitra, noho izany dia tsy manan-jo hitsara aho.
Hoy i Jesosy — "Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo" raha mitsara ianao, dia haverina ho refesina aminao araka izay nitsaranao mihitsy izany. Iza amintsika no sahy hijoro eo anatrehan’Andriamanitra ka hilaza hoe — "Andriamanitro ô, tsarao tahaka izay nitsarako ny mpiara-belona tamiko aho?" Efa nitsara ny mpiara-belona amintsika ho mpanota isika; raha mitsara antsika toy izany Andriamanitra dia ho any amin’ny helo isika. Mitsara antsika amin’ny alalan’ny asa fampihavanan’i Jesosy Kristy mahatalanjona Andriamanitra.