Fisaintsainana isan’andro

FAHALALANA AKAIKY NY ALAHELO

Lehilahy ory sady mahalala alahelo.

Isaia 53:3

Tsy mahalala akaiky ny alahelo tahaka ny nahafantaran’ny Tompontsika azy isika; miaritra izany isika, mamakivaky izany isika, kanefa tsy manana fifandraisana akaiky aminy. Amin’ny fiandohan’ny fiainana dia tsy mampifanaraka ny tenantsika amin’ny zava-misy momba ny fahotana isika. Mandinika ny fiainana araka ny fanjohian-kevitra isika ka milaza fa ny olona, amin’ny fifehezana ny fironany sy ny fanabeazana ny tenany, dia afaka mamokatra fiainana iray izay hivoatra tsikelikely ho fiainan’Andriamanitra. Kanefa rehefa mandroso isika, dia mahita ny fisian’ny zavatra iray tsy nampidirintsika tao amin’ny kajy, izany hoe, ny fahotana, ary manakorontana ny kajintsika rehetra izany. Efa nataon’ny fahotana ho tsy voafehy sy tsy araka ny fanjohian-kevitra ny fototry ny zavatra rehetra. Tsy maintsy fantatsika fa zava-misy ny fahotana, fa tsy kilema; fikomiana tratra ambodiomby manohitra an’Andriamanitra ny fahotana. Na Andriamanitra na ny fahotana no tsy maintsy maty ao amin’ny fiainako. Ampifantohan’ny Testamenta Vaovao tanteraka amin’ity raharaha iray ity isika. Raha manjaka ato anatiko ny fahotana, dia hovonoina ny fiainan’Andriamanitra ato anatiko; raha manjaka ato anatiko Andriamanitra, dia hovonoina ny fahotana ato anatiko. Tsy misy fiafarana hafa mety hitranga. Ny fara tampon’ny fahotana dia ny nanomboany an’i Jesosy Kristy tamin’ny hazofijaliana, ary izay marina teo amin’ny tantaran’Andriamanitra teto an-tany dia ho marina eo amin’ny tantaranao sy ny tantarako. Eo amin’ny fomba fijerintsika ara-tsaina dia tsy maintsy mampifanaraka ny tenantsika amin’ny zava-misy momba ny fahotana isika ho hany fanazavana ny antony nahatongavan’i Jesosy Kristy, sady ho fanazavana ny alahelo sy ny fahoriana eo amin’ny fiainana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana