Fisaintsainana isan’andro

NY ASA FANOMPOANA AO ANATY

Fa ianareo dia . . . fisoronana mpanjaka.

1Petera 2:9

Amin’ny zo inona no hahatongavantsika ho "fisoronana mpanjaka"? Amin’ny zon’ny asa fampihavanana. Efa voaomana hamela ny tenantsika irery amim-pahatapahan-kevitra sy hiondrana ao amin’ny asa fisoronana amin’ny fivavahana ve isika? Ny fibadibadihana tsy tapaka ao anatintsika mba hijerena raha araka izay tokony ho izy isika dia miteraka kristianisma mifantoka amin’ny tena, maharary, fa tsy fiainan’ny zanak’Andriamanitra matanjaka, sy tsotra. Raha tsy mbola manana fifandraisana marina amin’Andriamanitra isika, dia toy ny mifikitra amin’ny hoditry ny nifintsika izany, ka hoy isika hoe — Fandresena mahatalanjona manao ahoana no azoko. Tsy misy na inona na inona mampiseho ny fahagagan’ny fanavotana ao amin’izany. Miondràna amin’ny finoana tsy matahotra izay hitranga fa tanteraka ny fanavotana, ary avy eo dia aza manahy ny amin’ny tenanao intsony, fa manomboha manao araka izay nolazain’i Jesosy Kristy — mivavaha ho an’ilay sakaiza manatona anao amin’ny misasakalina, mivavaha ho an’ny olo-masina, mivavaha ho an’ny olona rehetra. Mivavaha miorina amin’ny fahatsapana fa ao amin’i Kristy Jesosy ihany ianao no tanteraka, fa tsy amin’ity fitalahoana ity — "Ry Tompo ô, efa nanao izay tsara indrindra vitako aho, mba henoy aho."

Hafiriana no mbola ilain’Andriamanitra hanafahana antsika amin’ny fahazarana maharary mieritreritra momba ny tenantsika? Tsy maintsy tofoka tanteraka amin’ny tenantsika isika, mandra-pahafoanan’ny fahatairana rehetra amin’izay azon’Andriamanitra lazaina amintsika momba ny tenantsika. Tsy afaka mikasika ny halalin’ny fahambanian-toetra ao anatintsika isika. Misy toerana iray ihany izay maha marina antsika, dia ao amin’i Kristy Jesosy. Rehefa ao isika, dia tsy maintsy mandrotsaka ny tenantsika amin’ny herintsika rehetra ao amin’ity asa fanompoana ao anaty ity.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana