EFA TONGA AMIN’NY "REHEFA" VE IANAO?
“Ary nampodin’ny Tompo ny fahababoan’i Joba rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy.”
Joba 42:10
Ilay karazana vavaka feno fitarainana, mifantoka amin’ny tena, sady tsy salama ara-panahy, dia finiavana tsy azo ovana hoe te ho marina aho, ary tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao mihitsy izany. Famantarana fa mikomy amin’ny asa fampihavanana ny fiezahako ho marina eo anatrehan’Andriamanitra. "Tompo ô, hodioviko ny foko raha mamaly ny vavaka ataoko Ianao; handeha amin’ny fahitsiana aho raha manampy ahy Ianao." Tsy afaka mampanjary ny tenako ho marina eo anatrehan’Andriamanitra aho, tsy afaka manao ny fiainako ho tanteraka aho; tsy afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra aho raha tsy manaiky ny asa fampihavanan’i Jesosy Kristy Tompo ho fanomezana feno tanteraka. Manetry tena ampy hanaiky izany ve aho? Tsy maintsy mahafoy ny karazana fitakiana rehetra aho ka mitsahatra amin’ny ezaka rehetra, ary mamela ny tenako manontolo ao an-tanany, avy eo dia manomboka mandrotsaka ny tenako ao amin’ny asa fisoronana amin’ny fanelanelanana am-bavaka. Maro ny vavaka mipoitra avy amin’ny tsy finoana marina ny asa fampihavanana. Tsy vao manomboka mamonjy antsika i Jesosy, fa efa namonjy antsika Izy, efa vita ilay zavatra, ary fanevatevana Azy ny mangataka Aminy hanao izany.
Raha tsy mahazo ny zato heny fanampiny ianao, tsy mahazo fahitana lalina ny tenin’Andriamanitra, dia manomboha mivavaka ho an’ny sakaizanao, midira ao amin’ny asa fanompoana ao anaty. "Nampodin’ny Tompo ny fahababoan’i Joba rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy." Ny fanelanelanana am-bavaka no tena raharaha eo amin’ny fiainanao amin’ny maha fanahy voavonjy anao. Na aiza na aiza ametrahan’Andriamanitra anao ao amin’ny toe-javatra iray, dia mivavaha avy hatrany, mivavaha mba hampanjary ny asa fampihavanany ho tena zava-misy eo amin’ny fiainan’ny hafa tahaka ny eo amin’ny anao. Mivavaha ho an’ny sakaizanao ankehitriny; mivavaha ho an’ireo olona mifandray aminao ankehitriny.