FANOMPOANA AVY AMIN’NY FANOLORAN-TENA MAFANA
“Tia Ahy va ianao? . . . Fahano ny ondriko.”
Jaona 21:16
Tsy nilaza i Jesosy hoe — Manaova olona hiova hanaraka ny fomba fisainanao, fa karakarao ny ondriko, ataovy izay hamelomana azy amin’ny fahalalana Ahy. Ataontsika ho fanompoana izay ataontsika amin’ny endrika asa kristianina; fa antsoin’i Jesosy Kristy hoe fanompoana izay toetrantsika ho Azy, fa tsy izay ataontsika ho Azy. Miorina amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jesosy Kristy ny maha mpianatra, fa tsy amin’ny fifikirana amin’ny finoan-kevitra na fanekem-pinoana iray. "Raha misy olona manatona Ahy ka tsy mankahala . . . , dia tsy afaka ny ho mpianatro izy." Tsy misy adihevitra na fanerena, fa izao fotsiny — Raha te ho mpianatro ianao, dia tsy maintsy manolo-tena ho Ahy. Ny olona iray nokasihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia miteny tampoka hoe — "Hitako izao hoe Iza moa i Jesosy," ary izany no loharanon’ny fanoloran-tena.
Amin’izao andro izao dia nosoloantsika finoana mifototra amin’ny fanekem-pinoana ny finoana manokana, ary izany no mahatonga olona maro hanolo-tena ho an’ny foto-kevitra fa vitsy dia vitsy no manolo-tena ho an’i Jesosy Kristy. Tsy te hanolo-tena ho an’i Jesosy ny olona, fa ho an’ilay foto-kevitra natombony ihany. Fanafintohinana lalina ho an’ny saina nahita fianarana ankehitriny i Jesosy Kristy satria tsy irin’izany saina izany amin’ny fomba hafa afa-tsy amin’ny maha Namana Azy Izy. Ny fankatoavana voalohany nataon’ny Tompontsika dia ny sitrapon’ny Rainy, fa tsy ny zavatra nilain’ny olona; ny famonjena ny olona no vokatra voajanahary avy tamin’ny fankatoavany ny Ray. Raha manolo-tena ho an’ny foto-kevitra momba ny olombelona ihany aho, dia ho trotraka vetivety ka ho tonga amin’ny toerana hihalemen’ny fitiavako; kanefa raha tia an’i Jesosy Kristy manokana sy amin-kafanam-po aho, dia afaka manompo ny olombelona na dia ataon’ny olona toy ny tsihy famafana tongotra aza aho. Ny tsiambaratelon’ny fiainan’ny mpianatra dia ny fanoloran-tena ho an’i Jesosy Kristy, ary ny tsy fisehosehoana no mampiavaka ilay fiainana. Tahaka ny voam-bary varimbazaha iray izany, izay latsaka ao amin’ny tany ka maty, kanefa tsy ho ela dia hitsimoka sy hanova ny endriky ny tany manontolo (Jaona 12:24).