Fisaintsainana isan’andro

AZA MISAINA IZAO, FA RAISO NY LALANA

Ary i Petera . . . nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy. Kanefa rehefa hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy.

Matio 14:29-30

Tena nahery ny rivotra, tena avo ny onja, kanefa tsy hitan’i Petera ireny tamin’ny voalohany. Tsy noraharahainy ireny, fa nahafantatra fotsiny ny Tompony izy ka nivoaka noho ny fahafantarany Azy, ary nandeha teo ambonin’ny rano. Avy eo dia nanomboka niraharaha ireo zavatra tena nisy izy, ka nilentika avy hatrany. Nahoana no tsy afaka nanome hery azy handeha tany amin’ny fanambanin’ny onja sy teny amboniny koa ny Tompontsika? Samy tsy azo natao ireo raha tsy tamin’ny fahafantarana an’i Jesosy Tompo[1].

Mivoaka mahitsy ho eo amin’Andriamanitra isika momba ny zavatra sasany, avy eo miditra ny fiheverana ny tena ka milentika isika. Raha mahafantatra ny Tomponao ianao, dia tsy anjaranao ny manahy ny amin’izay toerana andaminany sy ampahatongavany ny toe-javatra misy anao amim-pikendrena. Misy ireo zavatra tena misy, kanefa raha vao mijery azy ireny ianao dia tototra, tsy afaka mahafantatra an’i Jesosy ianao, ka tonga ny fananarana mafy hoe: "Nahoana ianao no nisalasala?" Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra tena misy, tohizo ny fahafantarana an’i Jesosy, tazomy ny fianteherana tanteraka Aminy.

Raha miady hevitra na dia iray segondra aza ianao rehefa efa niteny Andriamanitra, dia rava ny zava-drehetra. Aza manomboka milaza mihitsy hoe — "Eny àry, manontany tena aho raha tena niteny Izy?" Manaova zavatra tsy matahotra izay hitranga avy hatrany, atsipazo eo Aminy avokoa ny zavatra rehetra. Tsy fantatrao hoe rahoviana no ho tonga ny feony, kanefa na oviana na oviana tonga amin’ny fomba malefaka indrindra azo eritreretina ny fahatsapana an’Andriamanitra, dia mahafoiza tena tanteraka tsy matahotra izay hitranga. Amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ihany no ahafantaranao Azy. Amin’ny fanaovana zavatra tsy matahotra izay hitranga ihany no hahatsapanao mazava kokoa ny feony.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana