Fisaintsainana isan’andro

NY TOE-PO TSY MITSIKERA

Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

Matio 7:1

Izao no lazain’i Jesosy momba ny fitsarana — Aza manao izany. Ny kristianina amin’ny ankapobeny no olona mahay mitsikera lalina indrindra. Anisan’ny fahaizan’ny olona mahazatra ny fitsikerana; kanefa eo amin’ny sehatra ara-panahy dia tsy misy zavatra tanteraka amin’ny fitsikerana. Ny vokatry ny fitsikerana dia ny fampizarazarana ny herin’ilay olona tsikeraina; ny Fanahy Masina irery no eo amin’ny toerana marina hahafahana mitsikera, Izy irery no afaka mampiseho ny tsy mety nefa tsy mampijaly na mandratra. Tsy azo atao ny miditra ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra rehefa manana toe-po mitsikera ianao; mahatonga anao ho mafy fo sy mpamaly faty ary lozabe izany, sady mamela anao hanosotra menaka fandokafana ny tenanao ka hihevitra fa olona ambony ianao. Hoy i Jesosy, amin’ny maha mpianatra anao dia kolokoloy ny toe-po tsy mitsikera. Tsy vita indray mandeha dia ampy mandrakizay izany. Mitandrema amin’izay zavatra rehetra mametraka anao eo amin’ny toeran’ny olona ambony.

Tsy misy azo atao mba hialana amin’ny fahitana lalina ananan’i Jesosy. Raha hitako ny sombintsombiny ao amin’ny masonao, dia midika izany fa manana vatan-kazo ao amin’ny masoko aho. Ny zavatra ratsy rehetra hitako ao aminao, dia asehon’Andriamanitra fa ato anatiko. Isaky ny mitsara aho, dia manameloka ny tenako (jereo Romana 2:17-20). Atsaharo ny fananana tehina fandrefesana ho an’ny olon-kafa. Misy zava-misy iray fanampiny mandrakariva eo amin’ny raharahan’ny olona tsirairay izay tsy fantatsika mihitsy. Ny zavatra voalohany ataon’Andriamanitra dia ny manome antsika fanadiovana lehibe fanao amin’ny lohataona ara-panahy; tsy misy fiavonavonana mety hijanona ao amin’ny olona aorian’izany. Tsy mbola nahita olona azoko namoizana fo aho rehefa avy nahafantatra izay miafina ato anatiko tafasaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana