AHOANA NY FAHITANAO IZANY?
“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." . . . "Efa nataoko hoe sakaiza ianareo.”
Jaona 15:13, 15
Tsy mangataka ahy ho faty ho Azy i Jesosy, fa mangataka ahy hanolotra ny fiainako ho Azy. Hoy i Petera — "Hanolotra ny aiko noho ny aminao aho" ary tena nilaza izany tamin-kitsimpo izy; nahatalanjona ny fahatsapany ny herim-po. Zavatra ratsy ny tsy fahafahana manao fanambarana toy izay nataon’i Petera; ny fahatsapantsika ny adidintsika dia tsy manjary tena zava-misy raha tsy amin’ny fahatsapantsika ny herim-po. Efa nanontany anao ve ny Tompo hoe — "Hanolotra ny fiainanao noho ny amiko ve ianao?" Mora lavitra ny maty noho ny manolotra ny fiainana isan’andro miaraka amin’ny fahatsapana ilay fiantsoana ambony. Tsy natao ho an’ny fotoana mamirapiratra isika, fa tsy maintsy mandeha amin’ny fahazavan’ireny fotoana ireny eo amin’ny lalana mahazatra. Fotoana mamirapiratra iray ihany no nisy teo amin’ny fiainan’i Jesosy, dia ilay teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy; avy eo dia nahafoy ny voninahiny fanindroany Izy, ka nidina tao amin’ilay lohasaha nanjakan’ny demonia. Nandritra ny telo amby telopolo taona dia namelatra ny fiainany i Jesosy mba hanao ny sitrapon’ny Rainy, ary, araka ny filazan’i Jaona, "tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy isika." Mifanohitra amin’ny toetra maha olona ny fanaovana izany.
Raha sakaizan’i Jesosy aho, dia tsy maintsy manolotra ny fiainako ho Azy amim-piniavana sy amim-pitandremana. Sarotra izany, ary isaorana Andriamanitra fa sarotra. Mora ny famonjena satria lafo dia lafo tamin’Andriamanitra izany, kanefa sarotra ny fanehoana izany eo amin’ny fiainako. Mamonjy olona iray Andriamanitra ka mampitafy azy ny Fanahy Masina, ary avy eo dia milaza izao hevitra izao — "Tanteraho etỳ ivelany izany izao, mitoera ho mahatoky Amiko, na dia hahatonga anao hivadika aza ny toetry ny zavatra manodidina anao." "Efa nataoko hoe sakaiza ianareo." Mitoera ho mahatoky amin’ilay Sakaizanao, ary tsarovy fa miankina amin’ny fiainanao ara-batana ny voninahiny.