MIHETSEHA IZAO
“Ary ankoatra izany . . . ampio . . .”
2Petera 1:5
Efa nandova ny toetra voajanaharin’Andriamanitra ianao, hoy i Petera (andininy 4), koa ampifantohy mafy ny sainao ka mamoròna fahazarana, mazotoa, mifantoha. Ny hoe "Ampio" dia mahafaoka izay rehetra hevitry ny toetra. Tsy misy olona ateraka manana toetra na ara-boajanahary na amin’ny fomba mihoatra ny natoraly, fa tsy maintsy mamolavola toetra izy. Tsy ateraka miaraka amin’ny fahazarana koa isika; tsy maintsy mamorona fahazarana eo amin’ny fototr’ilay fiainana vaovao napetrak’Andriamanitra ato anatintsika isika. Tsy natao ho endrika mamirapiratra isika, fa ho akora mahazatra eo amin’ny fiainana andavanandro izay mampiseho ny fahagagan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny asa mandreraka sy mankaleo no vato fizahan-toetra ny toetra. Ny sakana lehibe eo amin’ny fiainana ara-panahy dia ny fitadiavantsika zavatra lehibe hatao. "Naka lamba famaohana i Jesosy . . . ary nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra."
Misy fotoana tsy misy fahazavana na fientanam-po, fa ny fihodinana andavanandro, sy ny asa mahazatra fotsiny. Ny fahazarana miverimberina no fomba hamonjen’Andriamanitra antsika eo anelanelan’ireo fotoana ahazoantsika tsindrimandry. Aza manantena an’Andriamanitra hanome anao mandrakariva ireo minitra mampientanentana avy Aminy, fa mianara miaina ao amin’ny sehatry ny asa mandreraka sy mankaleo amin’ny herin’Andriamanitra.
Ilay "fanampiana" no sarotra. Milaza isika fa tsy manantena an’Andriamanitra hitondra antsika any an-danitra eo ambonin’ny fandriana malemilemy feno voninkazo, kanefa manao zavatra toy ny hoe manantena izany ihany isika! Ny antsipiriany bitika indrindra izay ankatoavako dia manana ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay mahavita ny zavatra rehetra ao ivohany. Raha manao ny adidiko aho, tsy noho ny adidy ihany, fa satria mino fa Andriamanitra no mandamina sy mahatonga ny toe-javatra misy ahy amim-pikendrena, dia ahy amin’ny alalan’ny asa fampihavanana ny fahasoavan’Andriamanitra mahatalanjona manontolo eo amin’ilay teboka ankatoavako mihitsy.