Fisaintsainana isan’andro

MIHETSEHA IZAO

Mitoera ao amiko.

Jaona 15:4

Apetraka ato anatiko amin’ny alalan’ny asa fampihavanana ny Fanahin’i Jesosy, avy eo dia tsy maintsy mamolavola amim-paharetana ny fomba fisaina mifanaraka tanteraka amin’ny Tompoko aho. Tsy hataon’Andriamanitra misaina tahaka an’i Jesosy aho, fa izaho ihany no tsy maintsy manao izany; tsy maintsy entiko ho babo hanaiky an’i Kristy ny eritreritra rehetra. "Mitoera ao amiko" — eo amin’ny raharaha ara-tsaina, eo amin’ny raharaha ara-bola, eo amin’ny raharaha rehetra izay mampanjary ny fiainan’olombelona ho toy izao. Tsy fiainana voatahiry ao anaty vata kanto izany.

Manakana an’Andriamanitra tsy hanao zavatra eo amin’ny toe-javatra misy ahy ve aho satria milaza fa hanelingelina ny firaisako Aminy izany? Fahasahian-dratsy izany. Na inona na inona toe-javatra misy ahy, dia afaka mahazo antoka ny hitoetra ao amin’i Jesosy ao anatin’izany tahaka ny ao amin’ny fivoriam-bavaka aho. Tsy izaho no tokony hanova sy handamina ny toe-javatra misy ahy. Tsy voaloto ny fitoerana tao anatin’ny Tompontsika; nahatsapa ho tao an-trano niaraka tamin’Andriamanitra Izy na taiza na taiza nametrahana ny vatany. Tsy nifidy ny toe-javatra nisy Azy mihitsy Izy, fa nalemy fanahy tamin’ny fandaharan’ny Rainy ho Azy. Eritrereto ny fahalalaham-potoana mahatalanjona teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika! Tazonintsika eo amin’ny toerana feno fihenjanana Andriamanitra, tsy misy ato amintsika ny fahatonian’ilay fiainana miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.

Eritrereto ireo zavatra manala anao tsy hitoetra ao amin’i Kristy — Eny, Tompo ô, iray minitra monja, tsy maintsy manao ity aho; Eny, hitoetra aho rehefa vita ity; rehefa tapitra ity herinandro ity, dia hilamina ny zava-drehetra, hitoetra aho amin’izay. Mihetsaha izao; manomboha mitoetra ankehitriny. Amin’ireo dingana voalohany dia ezaka tsy tapaka izany mandra-pahatongany ho lalàn’ny fiainana ka mitoetra ao Aminy tsy amim-pahatsiarovan-tena ianao. Manapaha hevitra hitoetra ao amin’i Jesosy na aiza na aiza ametrahana anao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana