TONGA ANY
“Avia hanaraka Ahy.”
Marka 1:17
Anisan’ny sakana lehibe indrindra amin’ny fanatonana an’i Jesosy ny fialan-tsiny momba ny toe-po voajanahary. Ataontsika sakana tsy hanatonana an’i Jesosy ny toe-pontsika voajanahary sy ireo fironantsika voajanahary. Ny zavatra voalohany tsapantsika rehefa manatona an’i Jesosy isika dia ny tsy firaharahany mihitsy ireo fironantsika voajanahary. Manana fiheverana isika fa afaka manokana ny fanomezam-pahasoavantsika ho an’Andriamanitra. Tsy afaka manokana ho an’Andriamanitra izay tsy anao ianao; zavatra iray ihany no azonao atokana ho an’Andriamanitra, dia ny zonao amin’ny tenanao (Romana 12:1). Raha omenao an’Andriamanitra ny zonao amin’ny tenanao, dia hataony fanandramana masina ianao. Mahomby mandrakariva ny fanandraman’Andriamanitra. Ny famantarana tokana ny olo-masina dia ny fitondrantena vaovao sy miavaka izay mipoitra avy amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ho an’i Jesosy Kristy. Ao amin’ny fiainan’ny olo-masina iray dia misy mandrakariva ity loharano mahatalanjona izay miboiboika fiainana vaovao sy miavaka ity; ny Fanahin’Andriamanitra no fantsakana misy rano miboiboika, ka vaovao mandrakizay. Tsapan’ny olo-masina fa Andriamanitra no mandamina sy mahatonga ny toe-javatra amim-pikendrena, ka tsy misy fimonomononana, fa fahafoizan-tena tanteraka tsy matahotra izay hitranga ho an’i Jesosy. Aza manao fitsipika avy amin’ny zavatra niainanao mihitsy; avelao Andriamanitra hanao zavatra vaovao sy miavaka amin’ny hafa tahaka izay ataony aminao.
Raha mahafoy tena tanteraka ho an’i Jesosy ianao, ka manatona rehefa miteny Izy hoe "Avia," dia hanohy hiteny hoe "Avia" amin’ny alalanao Izy; hivoaka ho eo amin’ny fiainana ianao ka hampita ny akon’i Kristy hoe "Avia." Izany no vokatra ao amin’ny fanahy rehetra izay efa nahafoy tena tanteraka sy nanatona an’i Jesosy.
Efa nanatona an’i Jesosy ve aho? Hanatona ankehitriny ve aho?