TONGA ANY
“Mankanesa atỳ Amiko.”
Matio 11:28
Te ho tonga any ve aho? Afaka manao izany aho izao. Vitsy dia vitsy ireo fanontaniana tena manan-danja eo amin’ny fiainana, ary valian’ireto teny ireto izy rehetra — "Mankanesa atỳ Amiko." Tsy hoe — Ataovy izao, na aza atao izatsy; fa hoe — "Mankanesa atỳ Amiko." Raha manaiky hanatona an’i Jesosy aho dia hampifanarahana amin’ny faniriako tena izy ny fiainako tena misy; tena hitsahatra amin’ny fahotana aho, ary ho hitako fa tena manomboka ny hiran’ny Tompo.
Efa nanatona an’i Jesosy ve ianao? Diniho ny ditran’ny fonao, hanao na inona na inona ianao afa-tsy ilay zavatra tsotra iray ataon’ny zaza — "Mankanesa atỳ Amiko." Raha maniry ny tena hiaina ny fitsaharana amin’ny fahotana ianao, dia tsy maintsy manatona an’i Jesosy.
Manao ny tenany ho vato fizahan-toetra i Jesosy Kristy. Diniho ny fomba nampiasany ny teny hoe "Mankanesa." Amin’ireo fotoana tsy ampoizina indrindra dia re ny bitsiky ny Tompo — "Mankanesa atỳ Amiko," ary voatarika avy hatrany ianao. Manova ny zavatra rehetra ny fifandraisana manokana amin’i Jesosy. Aoka ianao ho tsotra saina ka hanatona sy hanankina ny tenanao amin’izay lazainy. Ny toe-tsaina manatona dia ny sitrapo mamotsotra ny zavatra rehetra amim-pahatapahan-kevitra sady manankina amim-piniavana ny zavatra rehetra Aminy.
". . . dia hanome fitsaharana anareo Aho," izany hoe, hampiorina anao Aho. Tsy hoe — Hampandry anao eo am-pandriana Aho ka hihazona ny tananao sy hihira hampatory anao; fa hoe — Hamoaka anao hiala eo am-pandriana Aho, hiala amin’ny fahalainana sy ny faharerahana, hiala amin’ny toe-javatra toy ny efa antsasaky ny maty nefa mbola velona; hofenoiko fanahin’aina ianao, ary hampiorina anao ny fahatanterahan’ny asa velona. Manjary mampalahelo isika ka miresaka momba ny "fiaretana ny sitrapon’ny Tompo!" Aiza ao amin’izany ny hery velona sy ny fahefan’ny Zanak’Andriamanitra feno fahalehibiazana?