Fisaintsainana isan’andro

NY ZAVATRA TSARA MANARAKA TOKONY HATAO

Mitadiava, dia hahita ianareo.

Lioka 11:9

"Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo, satria diso fangataka." Raha mangataka zavatra amin’ny fiainana fa tsy amin’Andriamanitra ianao, dia diso fangataka ianao, izany hoe, mangataka noho ny faniriana hampanjary ny tenanao ianao. Arakaraka ny hampanjarinao bebe kokoa ny tenanao no hampihenanao ny fitadiavanao an’Andriamanitra. "Mitadiava, dia hahita ianareo." Miasà, ferana ho amin’ity zavatra iray ity ny mahaliana anao. Efa nitady an’Andriamanitra tamin’ny fonao manontolo ve ianao, sa antso malemy ihany no nalefanao ho Azy taorian’ny fanindronan’ny nevraljia ara-pitondrantena[1]? Mitadiava, mifantoha, dia hahita ianao.

"He, ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano." Mangetaheta ve ianao, sa tsy miraharaha noho ny fahafaham-pon’ny tena — afa-po tanteraka amin’ny zavatra niainanao ka tsy maniry na inona na inona fanampiny avy amin’Andriamanitra? Vavahady ny zavatra iainana, fa tsy tanjona. Mitandrema tsy hanorina ny finoanao amin’ny zavatra iainana, fa hiseho avy hatrany ilay feo toy ny metaly, dia ilay feo tia manameloka. Tsy afaka manome olon-kafa izay efa hitanao mihitsy ianao, kanefa azonao atao ny mampanembona azy izay anananao.

"Dondòny, dia hovohana ho anareo izany." "Manatòna an’Andriamanitra." Dondòny — mihidy ny varavarana, ary mitepotepo mafy ny fonao rehefa mandondòna ianao. "Diovy ny tananareo" — dondòny mafimafy kokoa, manomboka mahita ianao fa maloto. "Diovy ny fonareo" — mbola mahakasika anao manokana kokoa izany, tapa-kevitra mafy sy amin-kitsimpo ianao izao — hanao na inona na inona ianao. "Mijalia" — efa nijaly teo anatrehan’Andriamanitra ve ianao noho ny toetry ny fiainanao anatiny? Tsy misy na kofehin’ny fangorahana tena tavela, fa fijaliana mamaky fo ateraky ny fahatairana noho ny fahitana fa olona toy izao tokoa ianao. "Manetre tena" — asa mampietry tena ny mandondòna eo amin’ny varavaran’Andriamanitra — tsy maintsy mandondòna miaraka amin’ilay jiolahy nohomboana tamin’ny hazofijaliana ianao. "Izay mandondòna, dia hovohana ho azy izany."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana