Fisaintsainana isan’andro

NY ZAVATRA TSARA MANARAKA TOKONY HATAO

Fa izay rehetra mangataka no mahazo.

Lioka 11:10

Tsy misy sarotra noho ny mangataka. Haniry mafy sy hitsiriritra ary haniry fatratra sy hijaly isika, kanefa tsy hangataka raha tsy efa tonga any amin’ny faran’ny fetrantsika. Ny fahatsapana fa tsy tena zava-misy no mahatonga antsika hangataka. Efa nangataka avy tao amin’ny halalin’ny fahantrana ara-pitondrantena ve ianao? "Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra . . . kanefa ataovy azo antoka fa tena tsy manam-pahendrena ianao. Tsy afaka mampifanatrika ny tenanao amin’ny Zava-misy araka izay itiavanao azy ianao. Ny zavatra tsara manaraka tokony hatao raha tsy tena izy ara-panahy ianao, dia ny mangataka ny Fanahy Masina amin’Andriamanitra araka ny tenin’i Jesosy Kristy (jereo Lioka 11:13). Ny Fanahy Masina no Ilay mampanjary izay rehetra nataon’i Jesosy ho anao ho tena zava-misy ao anatinao.

"Fa izay rehetra mangataka no mahazo." Tsy midika izany fa tsy hahazo ianao raha tsy mangataka (ampit. Matio 5:45), fa tsy handray avy amin’Andriamanitra ianao raha tsy tonga eo amin’ny toerana hangatahana. Ny hoe mandray dia midika fa efa tafiditra ao amin’ny fifandraisana maha zanak’Andriamanitra ianao, ary hitanao izao miaraka amin’ny fahatakarana feno saina sy fankasitrahana ara-pitondrantena ary fahalalana ara-panahy fa avy amin’Andriamanitra ireo zavatra ireo.

"Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena . . ." Raha mahatsapa ianao fa tsy ampy, dia satria efa nifandray tamin’ny zava-misy ara-panahy; aza averina atao ny saron-maso araka ny fanjohian-kevitrao. Hoy ny olona — Torio aminay ny filazantsara tsotra: aza milaza aminay fa tsy maintsy masina izahay, satria miteraka fahatsapana fahantrana lalina izany, ary tsy mahafinaritra ny mahatsapa tena mahantra lalina. Ny hoe "Mangataha" dia midika hoe mitalahoa. Misy olona mahantra loatra ka ny fahantrany ihany no mahaliana azy, ary toy izany ara-panahy ny sasany amintsika. Tsy handray mihitsy isika raha mangataka sady manana tanjona tiana hotratrarina; raha mangataka isika, kanefa tsy avy amin’ny fahantrantsika fa avy amin’ny filantsika fatratra. Tsy misy antony hafa angatahan’ny mahantra fadiranovana afa-tsy ny fanaintainana lalina ateraky ny fahantrany, tsy menatra ny mitalaho izy. — Sambatra ny mahantra fadiranovana amin’ny fanahy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana