INONA INDRAY?
“Raha fantatrareo ireo zavatra ireo, dia sambatra ianareo raha manao izany.”
Jaona 13:17
Raha tsy tapahinao ireo tady famatorana, dia tsy maintsy hotapahin’Andriamanitra amin’ny tafio-drivotra ireo ka halefany hivoaka ianao. Atosahy hiondrana eo amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, mivoaha eo ambonin’ilay onjan’ny fikasany izay misondrotra lehibe, dia hisokatra ny masonao. Raha mino an’i Jesosy ianao, dia tsy tokony handany ny fotoananao rehetra eo amin’ny rano tony ao anatin’ny vavan’ny seranana fotsiny, izay feno fifaliana, nefa voafatotra mandrakariva; tsy maintsy mivoaka mamakivaky ny vavan’ny seranana ho any amin’ny halalin’i Andriamanitra ianao ka hanomboka hahafantatra ho an’ny tenanao, ary hanomboka hanana fahaiza-manavaka ara-panahy.
Rehefa fantatrao fa tokony hanao zavatra iray ianao, ka manao izany, dia mahafantatra bebe kokoa avy hatrany ianao. Avereno dinihina izay toerana nahatonga anao ho donendrina ara-panahy, dia ho hitanao fa miverina any amin’ny teboka iray izay nahafantaranao zavatra tokony hataonao izany, saingy tsy nataonao satria toa tsy nisy antso hanao izany avy hatrany, ary ankehitriny tsy manana fahatsapana lalina ianao, tsy manana fahaiza-manavaka; amin’ny fotoan-tsarotra dia variana ara-panahy ianao fa tsy mahafehy tena ara-panahy. Zavatra mampidi-doza ny mandà tsy handroso amin’ny fahalalana.
Ny sandoka maka tahaka ny fankatoavana dia toe-tsaina izay amoronanao fotoana hanaovanao sorona ny tenanao; heverina ho fahaiza-manavaka ny hafanam-po. Mora kokoa ny manao sorona ny tenanao noho ny manatanteraka ny anjaranao ara-panahy, izay voalaza ao amin’ny Romana 12:1-2. Tsara lavitra ny manatanteraka ny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao amin’ny famantarana ny sitrapony noho ny manao asa lehibe fanaovana sorona ny tena. "Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra." Mitandrema tsy hiverina any amin’izay toetranao taloha[1] rehefa tian’Andriamanitra hanana toetra mbola tsy nanananao mihitsy ianao. "Raha misy olona te hanao . . . dia hahalala izy."