Fisaintsainana isan’andro

AZA MANALEFA NY EZAKA

Na inona na inona hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany.

Jaona 14:13

Manatanteraka ity asa fanompoana ao anaty ity ve aho? Tsy misy fandrika na loza mety hahatonga fahajambana amin’ny fitiavana na fireharehana ao amin’ny fanelanelanana am-bavaka, fa asa fanompoana miafina izay mamoa ka anomezam-boninahitra ny Ray izany. Avelako ho lany tsikelikely amin’ny zava-poana ve ny fiainako ara-panahy, sa entiko manontolo ho amin’ny foibe iray izany — dia ny asa fampihavanan’ny Tompoko? Manjaka miandalana kokoa amin’izay rehetra mahaliana ahy eo amin’ny fiainako ve i Jesosy Kristy? Raha ny asa fampihavanan’ny Tompo no ilay teboka iray ivon’ny fiainako, dia ilay fitaomana lehibe miasa ao amin’ny fiainako, dia hamoa ho Azy ny lafiny rehetra amin’ny fiainako.

Tsy maintsy maka fotoana aho mba hahatsapana izay ivon’ny hery. Manome iray minitra amin’ny enimpolo ve aho mba hifantohana amin’izany? "Raha mitoetra ao amiko ianareo" — tohizo avy ao amin’io foibe io ny fanaovana sy ny fisainana ary ny fiasana — "dia hangataka izay irinareo ianareo, ka hatao aminareo izany." Mitoetra ao Aminy ve aho? Maka fotoana hitoerana ve aho? Inona no anton-javatra lehibe indrindra mampisy hery eo amin’ny fiainako? Asa ve, fanompoana, fanaovana sorona ho an’ny hafa, sa fiezahana hiasa ho an’Andriamanitra? Ny asa fampihavanan’ny Tompo no zavatra tokony hampisy hery lehibe indrindra eo amin’ny fiainako. Tsy ny zavatra andaniantsika fotoana betsaka indrindra no tena mamolavola antsika; ny singa lehibe indrindra dia ilay zavatra mampisy hery betsaka indrindra. Tsy maintsy tapa-kevitra hanaiky fetra sy hampifantoka ireo fironantsika isika.

"Na inona na inona hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany." Ny mpianatra izay mitoetra ao amin’i Jesosy dia sitrapon’Andriamanitra, ary ireo safidiny izay toa malalaka dia didin’Andriamanitra efa voatendry mialoha. Zava-miafina ve? Mifanohitra amin’ny lojika sady tsy mitombina ve? Eny, kanefa fahamarinana be voninahitra ho an’ny olo-masina izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana