TANTERAHO ETỲ IVELANY IZAY TANTERAHIN’ANDRIAMANITRA AO ANATINY
“Tanteraho etỳ ivelany ny famonjena anao.”
Filipiana 2:12-13
Mifanaraka amin’Andriamanitra ny sitraponao, kanefa ao amin’ny nofonao dia misy toe-panahy manjaka ao anaty izay mahatonga anao tsy hanan-kery hanao izay fantatrao fa tokony hataonao. Rehefa aseho amin’ny feon’ny fieritreretana ny Tompo, ny zavatra voalohany ataon’ny feon’ny fieritreretana dia ny manaitra ny sitrapo, ary mifanaraka amin’Andriamanitra mandrakariva ny sitrapo. Hoy ianao — "Kanefa tsy fantatro raha mifanaraka amin’Andriamanitra ny sitrapoko." Jereo i Jesosy dia ho hitanao fa mifanaraka Aminy mandrakariva ny sitraponao sy ny feon’ny fieritreretanao. Ilay zavatra ao anatinao izay mahatonga anao hilaza hoe "Tsy hanao aho" dia tsy lalina tahaka ny sitraponao; na toe-tsaina mivilana izany, na ditra, ary tsy mifanaraka amin’Andriamanitra mihitsy ireo. Ny zavatra lalina ao amin’ny olona dia ny sitrapony, fa tsy ny fahotana. Ny sitrapo no singa tena ilaina tamin’ny namoronan’Andriamanitra ny olona: ny fahotana dia toe-panahy mivilana manjaka ao anaty izay niditra tao amin’ny olona. Ao amin’ny olona nateraka indray dia Tsitoha ny loharanon’ny sitrapo. "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." Tsy maintsy tanterahinao etỳ ivelany amim-pifantohana sy amim-pitandremana izay tanterahin’Andriamanitra ao anatiny; tsy mamokatra ny famonjenao manokana, fa manatanteraka izany etỳ ivelany, sady miorina amim-pahatapahan-kevitra ao amin’ny finoana tsy azo hozongozonina amin’ny fanavotan’ny Tompo izay feno sy tanteraka ianao. Rehefa manao izany ianao, dia tsy mitondra sitrapo manohitra ny sitrapon’Andriamanitra, fa ny sitrapon’Andriamanitra no sitraponao, ary manaraka ny lalana izoran’ny sitrapon’Andriamanitra ny safidinao voajanahary, ka voajanahary tahaka ny fofonaina ny fiainana. Andriamanitra no loharanon’ny sitraponao, noho izany dia afaka manatanteraka ny sitrapony etỳ ivelany ianao. ‘Vongana’ tsy mampiasa fahatakarana ka mandà tsy hazavaina ny ditra; ny hany azo atao aminy dia ny fanapoahana azy amin’ny dinamita, ary ny fankatoavana ny Fanahy Masina no dinamita.
Mino ve aho fa Andriamanitra Tsitoha no loharanon’ny sitrapoko? Tsy manantena ahy hanao ny sitrapony fotsiny Andriamanitra, fa ato anatiko Izy mba hanao izany.