NY FILAZAN’ANDRIAMANITRA AZY
“Efa nilaza Izy . . . mba hahafahantsika miteny amin-kerim-po . . .”
Hebreo 13:5-6
Tsy maintsy aorina eo amin’ny filazan’Andriamanitra azy ny filazako azy. Hoy Andriamanitra — "Tsy handao anao mihitsy Aho," dia afaka milaza amin-kerim-po aho hoe — "Ny Tompo no mpanampy ahy, tsy hatahotra aho — " Tsy hanjaka ao an-tsaiko ny tebiteby. Tsy midika izany fa tsy halaim-panahy hatahotra aho, fa hahatsiaro ny filazan’Andriamanitra azy. Ho feno herim-po aho, tahaka ny zaza iray izay "mampahery tena" mba hahatratra ny fenitra irin-drainy. Mihozongozona ny finoan’ny olona maro rehefa tonga ny tebiteby, hadinony ny hevitry ny filazan’Andriamanitra azy, hadinony ny maka fofonaina lalina ara-panahy. Ny fihainoana ny filazan’Andriamanitra azy no hany fomba hanesorana ny horohoro ato amintsika.
Inona no mampihorohoro anao? Tsy kanosa manoloana izany ianao, hiatrika izany ianao, kanefa misy fahatsapana horohoro. Rehefa tsy misy zavatra na olona afaka manampy anao, dia lazao hoe — "Kanefa ny Tompo no Mpanampy ahy, amin’ity segondra ity, eo amin’ny fomba fijeriko ankehitriny." Mianatra milaza zavatra rehefa avy mihaino an’Andriamanitra ve ianao, sa milaza zavatra ary miezaka mampifanaraka ny tenin’Andriamanitra aminy? Raiso mafy ny filazan’ny Ray azy, ary avy eo dia milazà amin-kerim-po hoe — "Tsy hatahotra aho." Tsy maninona izay ratsy na tsy marina mety ho eny an-dalana, fa efa nilaza Izy hoe — "Tsy handao anao mihitsy Aho."
Zavatra hafa misakana ny filazan’Andriamanitra azy tsy ho tonga amin’ny filazantsika azy ny fahosana. Rehefa mahatsapa ny fahalementsika eo am-piatrehana fahasahiranana isika, dia manjary tahaka ny goavambe ny fahasahiranana, manjary tahaka ny valala isika, ary manjary toy ny tsy misy Andriamanitra. Tsarovy ny filazan’Andriamanitra azy — "Tsy handiso fanantenana anareo amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana Aho." Efa nianatra nihira rehefa avy nandre ny feo fototra avy amin’Andriamanitra ve isika? Feno mandrakariva ny herim-po hilaza hoe — "Ny Tompo no mpanampy ahy," ve isika sa resin’ny tahotra?