ANDRIAMANITRA TSY MBA MANDISO FANANTENANA
“Fa efa nilaza Izy hoe, Tsy handao anao mihitsy Aho, na hahafoy anao.”
Hebreo 13:5
Mizotra mankaiza ny eritreritro? Mitodika any amin’izay lazain’Andriamanitra ve izany sa any amin’izay atahorako? Mianatra tsy hilaza izay lazain’Andriamanitra ve aho, fa hilaza zavatra rehefa avy nandre izay lazainy? "Efa nilaza Izy hoe, Tsy handao anao mihitsy Aho, na hahafoy anao. Koa afaka miteny amin-kerim-po isika hoe, Ny Tompo no mpanampy ahy, ary tsy hatahotra izay hataon’ny olona amiko aho."
"Tsy handiso fanantenana anao amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana Aho" — na dia eo aza ny fahotako sy ny fitiavan-tenako ary ny ditrako sy ny fahadisoan-dalako rehetra. Efa navelako hilaza amiko marina ve Andriamanitra fa tsy handiso fanantenana ahy mihitsy Izy? Raha efa nihaino izany filazan’Andriamanitra azy izany aho, dia aoka hihaino indray.
"Tsy hahafoy anao amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana koa Aho." Indraindray tsy ny fahasahiranana no mahatonga ahy hieritreritra fa hahafoy ahy Andriamanitra, fa ny asa mandreraka sy mankaleo. Tsy misy Havoanan’ny Fahasahiranana tokony hiakarana, tsy misy fahitana omena, tsy misy zavatra mahatalanjona na tsara tarehy, fa ny andro mahazatra miverimberina fotsiny — afaka mandre ny filazan’Andriamanitra azy ao amin’ireo zavatra ireo ve aho?
Mihevitra isika fa hanao zavatra miavaka Andriamanitra, fa manomana sy mampanjary antsika ho sahaza hanao zavatra tsy fahita mahazatra hotanterahina any aoriana Izy, kanefa rehefa mandroso ao amin’ny fahasoavana isika dia hitantsika fa manome voninahitra ny tenany eto sy ankehitriny Andriamanitra, amin’ity minitra ity. Raha eo ivohontsika ny filazan’Andriamanitra azy, dia tonga ny hery mahatalanjona indrindra, ary mianatra mihira isika ao anatin’ny andro sy ny lalana mahazatra.