INONA NO MANJAKA AO AN-TSAINAO?
“Iza no olona matahotra ny Tompo?”
Salamo 25:12
Inona no manjaka ao an-tsainao? Hilaza ianao hoe — Tsy misy, kanefa misy zavatra manjaka ao an-tsaintsika rehetra, amin’ny ankapobeny dia ny tenantsika, na, raha kristianina isika, ny zavatra niainantsika. Milaza ny mpanao Salamo fa Andriamanitra no tokony hanjaka ao an-tsaintsika. Andriamanitra no tokony ho fahatsapana maharitra manjaka eo amin’ny fiainana, fa tsy fieritreretana Azy fotsiny. Tokony hofenoin’ny fanatrehan’Andriamanitra tanteraka ny fiainantsika manontolo ao anatiny sy etỳ ivelany. Feno fahatsiarovan-dreny ny sain’ny zaza iray ka na dia tsy mieritreritra an-dreniny amim-pahatsiarovan-tena aza ilay zaza, kanefa rehefa tonga ny loza, dia ny fifandraisana amin’ny reniny no maharitra. Toy izany no tokony hiainantsika sy hihetsehantsika ary hisian’ny tenantsika ao amin’Andriamanitra, hijerentsika ny zavatra rehetra araka ny fifandraisany amin’Andriamanitra, satria misisika ho eo aloha mandrakariva ny fahatsapana an’Andriamanitra izay manjaka maharitra.
Raha Andriamanitra no manjaka ao an-tsaintsika, dia tsy misy zavatra hafa afaka miditra, tsy ny fiahiahiana, tsy ny fahoriana, tsy ny tebiteby. Hitantsika izao ny antony nanamafisan’ny Tompontsika fatratra ny fahotan’ny fanahiana. Ahoana no hahasahiantsika tsy hino tanteraka toy izany nefa manodidina antsika Andriamanitra? Ny famelana an’Andriamanitra hanjaka ao an-tsaina dia fananana fefy tena mahomby manohitra ny famelezan’ny fahavalo rehetra.
"Hitoetra amin’ny fiadanana ny fanahiny." Ao anatin’ny fahoriana, ny tsy fifankahazoana, ny fanendrikendrehana, eo afovoan’ireo zavatra rehetra ireo, raha miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainantsika, dia hitazona antsika amin’ny fiadanana Izy. Mandroba ny tenantsika amin’ilay fanambarana mahatalanjona momba izany fiarahana maharitra amin’Andriamanitra izany isika. "Andriamanitra no Fialofantsika" — tsy misy na inona na inona afaka mamakivaky izany fialofana izany.