Fisaintsainana isan’andro

FANAMBARANA TSY MISY FANONTANIANA

Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo.

Jaona 16:23

Rahoviana "izany andro izany"? Rehefa ampiraisin’ilay Tompo niakatra amin’ny Ray ianao. Amin’izany andro izany dia hiray amin’ny Ray tahaka an’i Jesosy ianao, ary "amin’izany andro izany," hoy i Jesosy, "tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo." Mandra-pisehon’ny fiainam-pitsanganan’i Jesosy amin’ny maty ao anatinao, dia te hanontany momba izao sy izatsy ianao; rehefa afaka kelikely anefa dia hitanao fa nanjavona avokoa ny fanontaniana rehetra, toa tsy manana na iray aza mbola hapetraka ianao. Efa tonga eo amin’ny toerana ianteherana tanteraka amin’ny fiainam-pitsanganan’i Jesosy amin’ny maty ianao ka entiny hifandray tanteraka amin’ny fikasan’Andriamanitra. Miaina izany fiainana izany ve ianao ankehitriny? Raha tsia, nahoana ianao no tsy tokony hiaina izany?

Mety hisy zavatra maro tsy takatry ny sainao, kanefa tsy misakana ny fifandraisan’ny fonao amin’Andriamanitra izany. "Ary amin’izany andro izany dia tsy hametraka fanontaniana amiko ianareo" — tsy mila manao izany ianao, matoky tanteraka ianao fa hampivoaka ny zavatra rehetra hifanaraka amin’ny sitrapony Andriamanitra. Efa tonga toe-po manjaka ao am-ponao marina ny Jaona 14:1, ary tsy misy fanontaniana hafa tokony hapetraka intsony. Raha misy zavatra mifono zava-miafina aminao ka misakana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia aza mitady ny fanazavana ao amin’ny sainao mihitsy, tadiavo ao amin’ny toe-panahy manjaka ao anatinao izany, io no misy tsy mety. Raha vao manaiky an-tsitrapo hilefitra amin’ny fiainan’i Jesosy ny toe-panahy manjaka ao anatinao, dia hazava tanteraka ny fahatakarana, ary ho tonga amin’ny toerana tsy misy elanelana eo amin’ny Ray sy ny zanany ianao satria efa nataon’ny Tompo ho iray ianao, ary "amin’izany andro izany dia tsy hametraka fanontaniana amiko ianareo."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana