NY FIAINANA IZAY VELONA
“Mitoera ao an-tanànan’i Jerosalema, mandra-pitafianareo hery avy any ambony.”
Lioka 24:49
Tsy maintsy niandry hatramin’ny andro Pentekosta ny mpianatra tsy ho fanomanana ny tenany ihany; tsy maintsy niandry mandra-pahazoan’ny Tompo voninahitra teo amin’ny tantara izy ireo. Raha vao nahazo voninahitra Izy, inona no nitranga? "Koa rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary efa nandray tamin’ny Ray ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina, dia narotsany izao, hitanareo sy renareo izao." Tsy mihatra amintsika ilay teny anaty fononteny ao amin’ny Jaona 7:39 ("Fa tsy mbola nomena ny Fanahy Masina; satria tsy mbola nahazo voninahitra i Jesosy"); efa nomena ny Fanahy Masina, efa nahazo voninahitra ny Tompo; tsy miankina amin’ny fitondran’Andriamanitra ny fiandrasana, fa amin’ny maha sahaza antsika.
Efa niasa talohan’ny Pentekosta ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina, kanefa tsy mbola teto Izy. Raha vao nahazo voninahitra tamin’ny Fiakarana ny Tompontsika, dia tonga teto amin’izao tontolo izao ny Fanahy Masina, ary efa teto Izy hatramin’izay. Tsy maintsy mandray ny fanambarana fa eto Izy isika. Ny fandraisana ny Fanahy Masina no toe-tsaina tazonin’ny mpino. Rehefa mandray ny Fanahy Masina isika, dia mandray fiainana mamelona avy amin’ilay Tompo niakatra.
Tsy ny batisa amin’ny Fanahy Masina no manova ny olona, fa ny herin’i Kristy niakatra izay miditra ao amin’ny fiainan’ny olona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no manova azy ireo. Matetika loatra isika no mampisaraka izay tsy mba sarahin’ny Testamenta Vaovao mihitsy. Tsy zavatra iainana tafasaraka amin’i Jesosy Kristy ny batisa amin’ny Fanahy Masina: porofon’i Kristy niakatra izany.
Tsy mampieritreritra anao momba ny Fotoana na ny Mandrakizay ny batisa amin’ny Fanahy Masina, fa IZAO iray mahatalanjona sady be voninahitra izany. "Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny hahalalany Anao." Atombohy izao ny fahalalana Azy, ary aza faranana mihitsy.