Fisaintsainana isan’andro

MISAINA ARAKA NY NAMPIANARIN’I JESOSY

Mivavaha ka aza mitsahatra.

1Tesaloniana 5:17

Miankina amin’ny fiheverana momba ny vavaka ao an-tsaintsika no hisainantsika marina na diso momba ny vavaka. Raha mihevitra ny vavaka ho tahaka ny fofonaina ao amin’ny havokavotsika sy ny ra avy ao am-pontsika isika, dia misaina marina. Mikoriana tsy an-kijanona ny ra, ary mitohy tsy an-kijanona ny fofonaina; tsy mahatsapa izany isika, kanefa mitohy mandrakariva izany. Tsy tsapantsika mandrakariva fa mitazona antsika hiray tanteraka amin’Andriamanitra i Jesosy, kanefa raha mankatò Azy isika, dia manao izany mandrakariva Izy. Tsy fanazaran-tena ny vavaka, fa fiainana. Mitandrema amin’izay zavatra rehetra mampitsahatra ny vavaka fohy mipoitra tampoka. "Mivavaha ka aza mitsahatra," tazomy ao am-ponao mandrakariva ilay fahazaran’ny zaza mandefa vavaka fohy mipoitra tampoka amin’Andriamanitra.

Tsy mba niresaka momba ny vavaka tsy voavaly mihitsy i Jesosy, nanana fahazoana antoka tsy misy fetra Izy fa voavaly mandrakariva ny vavaka. Manana amin’ny alalan’ny Fanahy ilay fahazoana antoka tsy hay lazaina izay nananan’i Jesosy momba ny vavaka ve isika, sa mieritreritra ireo fotoana izay toa tsy namalian’Andriamanitra vavaka? "Izay rehetra mangataka no mahazo." Hoy isika — "Kanefa . . . , kanefa . . ." Mamaly vavaka amin’ny fomba tsara indrindra Andriamanitra, tsy indraindray, fa mandrakariva, na dia mety tsy hiseho avy hatrany mandrakariva eo amin’ilay sehatra aniriantsika azy aza ny valiny. Manantena an’Andriamanitra hamaly vavaka ve isika?

Ny loza ho antsika dia ny faniriantsika hanalefaka ny zavatra lazain’i Jesosy sy hampisy heviny mifanaraka amin’ny saina mahazatra; raha saina mahazatra fotsiny izany, dia tsy ho nisy antony nilazany izany. Fanambarana mihoatra ny natoraly ny zavatra lazain’i Jesosy momba ny vavaka.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana