Fisaintsainana isan’andro

NY FITSAPANA NY TOMBONTSOAN’NY TENA

Raha maka ny havia ianao, dia handeha any amin’ny havanana aho; fa raha mankany amin’ny havanana ianao, dia handeha any amin’ny havia aho.

Genesisy 13:9

Raha vao manomboka miaina ny fiainam-pinoana an’Andriamanitra ianao, dia hisokatra eo anoloanao ireo zavatra azo antenaina mahavariana sy mirenty, ary anao ara-drariny ireo zavatra ireo; kanefa raha miaina ny fiainam-pinoana ianao dia hampiasa ny zonao handà ny zonao ianao, ka hamela an’Andriamanitra hifidy ho anao. Indraindray avelan’Andriamanitra hiditra ao amin’ny toerana fizahan-toetra ianao izay tokony hiheverana ny hahasoa anao ho zavatra marina sy mety raha tsy niaina fiainam-pinoana ianao; fa raha miaina izany ianao, dia handà amim-pifaliana ny zonao ka hamela an’Andriamanitra hifidy ho anao. Izany no fampiofanana izay anovan’ny fankatoavana ny feon’Andriamanitra ny voajanahary ho ara-panahy.

Isaky ny atao ho mpitari-dalana eo amin’ny fiainana izay marina, dia hanadonto ny fahitana lalina ara-panahy izany. Tsy ny fahotana no fahavalo lehiben’ny fiainam-pinoana an’Andriamanitra, fa ny tsara izay mbola tsy ampy hatsarana. Ny tsara no fahavalon’ny tsara indrindra mandrakariva. Toa ny fifidianan’i Abrahama no zavatra feno fahendrena indrindra eto an-tany, zony izany, ary ireo olona manodidina azy dia hihevitra azy ho adala raha tsy mifidy izy. Maro amintsika no tsy mandroso ara-panahy satria aleontsika mifidy izay marina toy izay miantehitra amin’Andriamanitra hifidy ho antsika. Tsy maintsy mianatra mandeha araka ilay fenitra izay mampifantoka ny masony amin’Andriamanitra isika. "Mandehana eo anatrehako."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana