NY FAHAZARAN’NY HARENA
“Mpiombona amin’ny toetra voajanaharin’Andriamanitra.”
2Petera 1:4
Amin’ny alalan’ny teny fikasana no anaovana antsika ho mpiombona amin’ny toetra voajanaharin’Andriamanitra; avy eo dia tsy maintsy "ampiasaintsika" ao amin’ny toetrantsika maha olona amin’ny alalan’ny fahazarana io toetra voajanaharin’Andriamanitra io, ary ny fahazarana voalohany tokony hoforonina dia ny fahazarana mahatsapa izay efa nomen’Andriamanitra. "Indrisy, tsy takatry ny volako izany," hoy isika — tafiditra ao anatin’izany fehezanteny izany ny iray amin’ireo lainga ratsy indrindra. Fanehoana tsy fahalalam-pomba tafahoatra ny miresaka momba ny vola eo amin’ny sehatra voajanahary, ary toy izany koa eo amin’ny ara-panahy, nefa miresaka toy ny hoe vola madinika iray monja no nomen’ny Raintsika any an-danitra antsika ho lova[1]! Heverintsika ho famantarana fahamaotinana marina ny milaza rehefa mifarana ny andro iray hoe — "Eny, raha fintinina, tafavoaka fotsiny aho, saingy ady mafy izany." Kanefa antsika ao amin’i Jesosy Tompo ilay Andriamanitra Tsitoha manontolo! Ary hampiasainy hatramin’ny voam-pasika farany sy ny kintana lavitra indrindra mba hitahiana antsika raha mankatò Azy isika. Inona no olana raha sarotra ny toe-javatra ivelany? Nahoana moa no tsy tokony ho sarotra izany! Raha milefitra amin’ny fangorahana tena sy manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny fahoriana isika, dia roahintsika tsy ho eo amin’ny fiainantsika ny haren’Andriamanitra ary sakanantsika ny hafa tsy hiditra ao amin’izay efa nomeny. Tsy misy fahotana ratsy noho ny fahotan’ny fangorahana tena, satria mamafa an’Andriamanitra izany ka mametraka ny tombontsoan’ny tena eo ambony seza fiandrianana. Manokatra ny vavantsika handrora fimonomononana izany ary mampanjary ny fiainantsika ho sponjy ara-panahy mitsiriritra, ka tsy misy zavatra mahatehotia na malala-tanana ao aminy.
Rehefa manomboka afa-po amintsika Andriamanitra dia hampahantrany ny zavatra rehetra izay toetra isehoan’ny harena tsy tena izy, mandra-pianarantsika fa ao Aminy ny loharanontsika vaovao rehetra. Raha tsy miseho ao anatintsika ny fahalehibiazana sy ny fahasoavana ary ny herin’Andriamanitra (fa tsy ao amin’ny fahatsiarovan-tenantsika), dia ataon’Andriamanitra ho tompon’andraikitra isika. "Hain’Andriamanitra ny mampitombo ny fahasoavana rehetra," koa mianara mandrotsaka be dia be ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny hafa. Aoka hasiana ny mariky ny toetran’Andriamanitra ianao, dia handalo aminao mandrakariva ny fitahiany.