NY FAHAZARANA MIATRIKA IZAY MITRANGA
“Mba hahafantaranareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany . . .”
Efesiana 1:18
Tsarovy ny antony namonjena anao — mba haseho ao amin’ny nofonao mety maty ny Zanak’Andriamanitra. Ampifantoha ny hery manontolo amin’izay rehetra vitanao mba hampanjary ny fifidianana anao ho zanak’Andriamanitra ho tena zava-misy eo amin’ny fiainana; atreho mandrakariva izay mitranga.
Tsy afaka manao na inona na inona ho an’ny famonjena anao ianao, kanefa tsy maintsy manao zavatra mba hanehoana izany ianao, tsy maintsy tanterahinao etỳ ivelany izay efa tanterahin’Andriamanitra ao anatiny. Amin’ny lelanao ve no anatanterahanao izany, ary amin’ny atidohanao sy ny hozatrao? Raha mbola ilay olona ory sady mora tezitra hatrizay ianao, izay mikiry hanaraka ny lalanao manokana, dia lainga ny filazana fa efa namonjy sy nanamasina anao Andriamanitra.
Andriamanitra no Ilay Mpandamina sy Mpahay lehibe, avelany ho tonga ny fahasahiranana mba hahitana raha afaka mitsambikina mihoatra izany araka ny tokony ho izy ianao — "Noho ny Andriamanitro dia nahavita nandingana manda aho." Tsy hiaro anao amin’izay fepetra tokony hotanterahin’ny zanany lahy na zanany vavy mihitsy Andriamanitra. Hoy i Petera — "Aza atao ho zavatra hafahafa ilay fitsapana mirehitra afo izay tonga hizaha toetra anareo." Atreho izay mitranga; ataovy ilay zavatra. Tsy maninona izay halehiben’ny fanaintainany raha mbola manome an’Andriamanitra fahafahana haneho ny tenany ao amin’ny nofonao mety maty izany.
Enga anie Andriamanitra tsy hahita fimonomononana ato amintsika intsony, fa hahita antsika ho feno herim-po sy tanjaka ara-panahy, vonona hiatrika izay rehetra entiny. Tsy maintsy manazatra ny tenantsika isika mba haseho ao amin’ny nofontsika mety maty ny Zanak’Andriamanitra. Tsy mba manana tranombakoka mihitsy Andriamanitra. Ny tanjona tokana amin’ny fiainana dia ny hanehoana ny Zanak’Andriamanitra, ka levona avokoa ny fibaikoana an’Andriamanitra. Tsy mba nibaiko ny Rainy mihitsy ny Tompontsika, ary tsy eto isika mba hibaiko an’Andriamanitra; eto isika mba hanaiky ny sitrapony ka hahafahany manatanteraka amin’ny alalantsika izay iriny. Rehefa mahatsapa izany isika, dia hataony mofo novakina sy divay narotsaka isika mba hamahana sy hamelomana ny hafa.