Fisaintsainana isan’andro

NY FAHAZARANA MIFALY AMIN’NY TSY MAHAFINARITRA

Mba haseho ao amin’ny nofontsika mety maty koa ny fiainan’i Jesosy.

2Korintiana 4:10

Tsy maintsy mamorona fahazarana isika mba hanehoana izay efa nataon’ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatintsika. Tsy resaka hoe voavonjy amin’ny helo izany, fa hoe voavonjy mba hanehoana ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao amin’ny nofontsika mety maty, ary ireo zavatra tsy mahafinaritra no mampiharihary raha maneho ny fiainany isika na tsia. Ny hamamin’ny Zanak’Andriamanitra izay tena raiki-tampisaka ve no asehoko, sa ny fahasosorana tena raiki-tampisaka ao amin’ny "tenako" tafasaraka Aminy? Ny hany zavatra hahafahako mifaly amin’ny tsy mahafinaritra dia ny zotom-po mafana hamela ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra hiseho ao anatiko. Na dia tsy mahafinaritra toy inona aza ny zavatra iray, dia lazao hoe — "Tompo ô, faly aho mankatò Anao amin’ity raharaha ity," ka avy hatrany dia hisisika ho eo aloha ny Zanak’Andriamanitra, ary hiseho ao amin’ny fiainako maha olona izay manome voninahitra an’i Jesosy.

Tsy tokony hisy adihevitra. Raha vao mankatò ny fahazavana ianao, dia misisika mamakivaky anao ao amin’izany zavatra manokana izany ny Zanak’Andriamanitra; fa raha miady hevitra ianao dia mampalahelo ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy mitazona ny tenanao ho sahaza hamela ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra hiseho ianao, ary tsy afaka hitazona ny tenanao ho sahaza ianao raha milefitra amin’ny fangorahana tena. Ny toe-javatra misy antsika no fitaovana anehoana ny maha tanteraka mahatalanjona sy madio miavaka ny Zanak’Andriamanitra. Ny zavatra tokony hampitempo ny fo dia fomba vaovao hanehoana ny Zanak’Andriamanitra. Zavatra iray ny mifidy ny tsy mahafinaritra, ary zavatra hafa kosa ny miditra ao amin’ny tsy mahafinaritra noho ny fandaminan’Andriamanitra sy ny fampahatongavany izany amim-pikendrena. Raha mametraka anao ao Andriamanitra, dia ampy be Izy.

Tazomy ho sahaza haneho ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ny fanahinao. Aza miaina amin’ny fahatsiarovana mihitsy; avelao ho velona sy hiasa mandrakariva ao anatinao ny tenin’Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana