NY FAHAZARANA MANANA FEON’NY FIERITRERETANA MADIO
“Feon’ny fieritreretana tsy manafintohina an’Andriamanitra, na ny olona.”
Asan’ny Apostoly 24:16
Omena ny fiainan’ny Zanany ao anatintsika ny didin’Andriamanitra, noho izany dia omena ny toetra maha olona izay niforonan’ny Zanany, sarotra ny didiny, kanefa raha vao mankatò isika dia manjary mora noho ny herin’Andriamanitra izany.
Ny feon’ny fieritreretana dia ilay fahaizana ato anatiko izay mifamatotra amin’izay avo indrindra fantatro, ary milaza amiko izay zavatra takin’izany avo indrindra fantatro hataoko. Izany no mason’ny fanahy izay mitazana na any amin’Andriamanitra na any amin’izay heveriny ho avo indrindra, ka noho izany dia samy hafa ny fanambaran’ny feon’ny fieritreretana ao amin’ny olona samy hafa. Raha zatra mampifanatrika tsy tapaka ny tenako amin’Andriamanitra aho, dia hampiditra mandrakariva ny lalàn’Andriamanitra tanteraka ny feon’ny fieritreretako ka hanondro izay tokony hataoko. Izao no zava-dehibe, hankatò ve aho? Tsy maintsy miezaka mitazona ny feon’ny fieritreretako ho mora mandray indrindra aho mba handehanako tsy misy fanafintohinana. Tokony hiaina ao anatin’ny fiombonam-pihetseham-po tanteraka amin’ny Zanak’Andriamanitra aho, ka ao amin’ny toe-javatra rehetra dia havaozina ny fanahin’ny saiko, ary "fantatro" avy hatrany "izay tsara, sady ankasitrahana, sady tanteraka, dia ny sitrapon’Andriamanitra."
Mampianatra antsika hatrany amin’ny fisalasalana madinika ao amin’ny feon’ny fieritreretana[1] mandrakariva Andriamanitra. Maranitra tokoa ve ny sofiko ka mandre ny bitsika bitika indrindra avy amin’ny Fanahy ary mahafantatra izay tokony hataoko? "Aza mampalahelo ny Fanahy Masina." Tsy tonga amin’ny feo toy ny kotroka Izy; malefaka loatra ny feony ka mora ny tsy miraharaha izany. Ny zavatra tokana mitazona ny feon’ny fieritreretana ho mora mandray Azy dia ny fahazarana tsy tapaka misokatra amin’Andriamanitra ao anaty. Raha vao misy adihevitra, dia ajanony. "Nahoana aho no tsy tokony hanao izany?" Diso lalana ianao. Tsy mety hisy adihevitra rehefa miteny ny feon’ny fieritreretana. Tandindomin-doza ianao, raha avelanao hanarona ny firaisana anatinao amin’Andriamanitra ny zavatra iray. Ario izany, na inona na inona izany, ary ataovy izay hitazonanao ny fahitanao anatiny ho mazava.