Fisaintsainana isan’andro

ATAOVY FAHAZARANA NY TSY HANANA FAHAZARANA

Fa raha ao aminareo ireo zavatra ireo sady mitombo, dia ataony tsy ho kamo na tsy hamoa ianareo.

2Petera 1:8 (R.V.)

Rehefa manomboka mamorona fahazarana isika dia mahatsapa izany. Misy fotoana ahatsapantsika fa manjary tsara toetra sy mahari-po ary araka an’Andriamanitra isika, kanefa dingana iray ihany izany; raha mijanona eo isika dia hanana ny fihetsika miavonavonan’ny olona mihevi-tena ho marina ara-panahy. Ny tokony hatao amin’ny fahazarana dia ny mamoy azy ao amin’ny fiainan’ny Tompo, mandra-pahazatra tanteraka ny fahazarana tsirairay ka tsy misy fahazarana tsapan’ny saina intsony. Miverina ho fandinihan-tena mandrakariva ny fiainantsika ara-panahy satria misy toetra sasany mbola tsy nampiantsika. Amin’ny farany dia tokony ho fifandraisana tsotra tanteraka ilay izy.

Mety ho ilay fahazarana kristianina kelinao no andriamanitrao, dia ny fahazarana mivavaka amin’ny fotoana voatondro, na ny fahazarana mamaky Baiboly. Jereo ny fomba hanakorontanan’ny Rainao ireo fotoana ireo raha manomboka mitsaoka ny fahazaranao ianao fa tsy amin’izay asehon’ilay fahazarana — Tsy afaka manao izany aho dieny izao, mivavaka aho; fotoanako miaraka amin’Andriamanitra izao. Tsia, fotoananao miaraka amin’ny fahazaranao izao. Misy toetra iray tsy ampy ao aminao. Fantaro ilay tsy fahampiana ary avy eo tadiavo ny fotoana hanazaran-tenanao araka ilay toetra tokony hampiana.

Ny fitiavana dia midika fa tsy misy fahazarana hita maso, efa tonga eo amin’izay ahavery ilay fahazarana ianao, ary noho ny fanazaran-tena dia manao ilay zavatra tsy amim-pahatsiarovan-tena ianao. Raha mahatsapa ny tenanao ho masina ianao, dia misy zavatra sasany izay heverinao fa tsy azonao atao, misy fifandraisana sasany izay tsy ahitanao fahatsorana velively; midika izany fa misy zavatra tokony hampiana. Ny hany fiainana mihoatra ny natoraly dia ilay fiainana niainan’i Jesosy Tompo, ary na aiza na aiza dia nahatsapa ho tao an-trano niaraka tamin’Andriamanitra Izy. Misy toerana izay tsy ahatsapanao ho ao an-trano miaraka amin’Andriamanitra ve? Avelao Andriamanitra hisisika hiditra ao amin’izany toe-javatra manokana izany mandra-pahazoanao Azy, dia ho tonga fiainana tsotra toy ny an’ny zaza ny fiainana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana