Fisaintsainana isan’andro

TSY HO TRATRANAO AMIN’NY FIJOROANA AMIN’NY TENDRON-TONGOTRA IZANY

Ampio ny fifankatiavan’ny mpirahalahy . . . ny fitiavana.

2Petera 1:7

Tsy voafaritra amin’ny ankamaroantsika ny fitiavana, tsy fantatsika izay tiana holazaina rehefa miresaka momba ny fitiavana isika. Ny fitiavana dia safidy manjaka izay ametrahan’ny olona iray ny hafa ho loha laharana, ary amin’ny lafiny ara-panahy dia takin’i Jesosy ny hametrahana Azy ho loha laharana toy izany (ampit. Lioka 14:26). Rehefa aelin’ny Fanahy Masina ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, dia mora amin’i Jesosy Kristy ny mahazo ny toerana voalohany; avy eo isika dia tsy maintsy mizatra manatanteraka etỳ ivelany ireo zavatra resahin’i Petera ireo.

Ny zavatra voalohany ataon’Andriamanitra dia ny mandondona ka manala tanteraka ato amiko ny fihatsarambelatsihy sy ny fihetsika miseho ho mpivavaka. Asehon’ny Fanahy Masina fa tsy noho izaho mahatehotia no nitiavan’Andriamanitra ahy, fa satria izany no toetrany. Izao, hoy Izy amiko, asehoy amin’ny hafa izany fitiavana izany — "Mitiava tahaka ny nitiavako anao." "Hitondrako olona betsaka araka izay ilaina manodidina anao izay tsy azonao hajaina, ary tsy maintsy asehonao azy ireo ny fitiavako tahaka ny nanehoako izany taminao." Tsy ho tratranao amin’ny fijoroana amin’ny tendron-tongotra izany. Efa nanandrana nanao izany ny sasany amintsika, fa vetivety dia reraka izahay.

"Ny Tompo mahari-po. . . ." Avelao aho hijery ato anatiko ka hahita ny fomba nitondrany ahy. Ny fahalalana fa tia ahy hatramin’ny farany indrindra Andriamanitra, ka tonga hatrany amin’ny faran’ny fahotako sy ny fahambanian-toetrako ary ny fitiavan-tenako sy ny ratsy nataoko, dia haniraka ahy hivoaka ho eo amin’izao tontolo izao mba hitia toy izany koa. Tsy mety ritra ny fitiavan’Andriamanitra ahy, ary tsy maintsy avy amin’ny vatolampy fanorenan’ny fitiavan’Andriamanitra ahy no itiavako ny hafa. Mitsahatra ny fitomboana ao amin’ny fahasoavana raha vao tezitra noho ny fahatafintohinana aho. Tezitra noho ny fahatafintohinana aho satria misy olona hafahafa tsy maintsy iaraha-miaina amiko. Eritrereto fotsiny ny nahasarotra loatra ahy teo anatrehan’Andriamanitra! Efa voaomana hiray tanteraka amin’i Jesosy Tompo ve aho ka araraka mandrakariva ny fiainany sy ny hamaminy? Tsy hitoetra na ny fitiavana voajanahary na ny fitiavan’Andriamanitra raha tsy kolokoloina. Mipoitra ho azy ny fitiavana, kanefa tsy maintsy tazonina amin’ny fampiofanana izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana