NY FIAKARANY SY NY FIRAISANTSIKA AMINY
“Ary izao no nitranga, raha mbola nitso-drano azy ireo Izy, dia nisaraka taminy, ka nentina niakatra tany an-danitra.”
Lioka 24:51
Tsy manana zavatra niainana mifanitsy amin’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika taorian’ny Fiovan-tarehy isika. Nanomboka teo dia nisolo toerana ny hafa tanteraka ny fiainan’ny Tompontsika. Hatramin’ny fotoana nitrangan’ny Fiovan-tarehy dia efa nasehony ny fiainana mahazatra sady tanteraka ananan’ny olona iray; nanomboka tamin’ny Fiovan-tarehy — Getsemane, ny Hazofijaliana, ny Fitsanganana amin’ny maty — dia tsy misy mahazatra antsika ireo rehetra ireo. Ny Hazofijaliany no varavarana ahafahan’ny olona rehetra ao amin’ny taranak’olombelona miditra ao amin’ny fiainan’Andriamanitra; noho ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manana zo hanome fiainana mandrakizay ny olona rehetra Izy, ary noho ny Fiakarany dia miditra any an-danitra ny Tompontsika ka mitazona ny varavarana hisokatra ho an’ny olombelona.
Tanteraka eo amin’ny Tendrombohitry ny Fiakarana ny Fiovan-tarehy. Raha niakatra tany an-danitra avy teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Jesosy, dia ho Izy irery no lasa; tsy ho nihoatra noho ny Endrika iray be voninahitra ho antsika Izy. Kanefa niamboho ny voninahitra Izy, ary nidina avy teny an-tendrombohitra mba hiray amin’ny olombelona lavo.
Ny Fiakarana no fahatanterahan’ny Fiovan-tarehy. Miverina ao amin’ny voninahiny tany am-boalohany tokoa izao ny Tompontsika; kanefa tsy miverina fotsiny amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy Izy; miverina amin’Andriamanitra amin’ny maha Zanak’olona Azy sady amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy Izy. Noho ny Fiakaran’ny Zanak’olona dia manana fahalalahana hiditra mahitsy hatrany amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra mihitsy izao ny olona rehetra. Amin’ny maha Zanak’olona Azy dia noferan’i Jesosy Kristy amim-piniavana tao amin’ny tenany ny fahefana amin’ny zavatra rehetra, ny fanatrehana any amin’ny toerana rehetra ary ny fahalalana ny zavatra rehetra. Ananany amin’ny heriny feno sy tanteraka kosa ireo izao. Amin’ny maha Zanak’olona Azy dia manana ny fahefana rehetra eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo Izy hatramin’ny andro niakarany ka mandraka ankehitriny.