MANORINA HO AN’NY MANDRAKIZAY
“Fa iza aminareo, raha ta-hanorina tilikambo, no tsy mipetraka aloha, ka manisa ny vidiny, na manana izay ampy hahavitana azy izy na tsia?”
Lioka 14:28
Tsy vidiny izay tokony hokajiantsika no resahin’ny Tompontsika, fa vidiny efa nokajiny. Telopolo taona tany Nazareta izany vidiny izany, telo taona nananana laza, niharan’ny fanalam-baraka sy fankahalana, ilay fijaliana mafy tsy hita noanoa tany Getsemane, ary ilay famelezana tany Kalvary — dia ilay ivon’ny fihodinan’ny Fotoana manontolo sy ny Mandrakizay. Efa nokajin’i Jesosy Kristy ny vidiny. Tsy hihomehy Azy amin’ny farany ny olona ka hanao hoe — "Nanomboka nanorina ity lehilahy ity, fa tsy nahavita hatramin’ny farany."
Ny fepetra momba ny maha mpianatra izay napetraky ny Tompontsika ao amin’ny andininy 26, 27 ary 33 dia midika fa ireo lehilahy sy vehivavy izay hampiasainy amin’ny raharaha fanorenany lehibe dia ireo izay efa nanatanterahany ny zavatra rehetra tao anatiny. "Raha misy olona manatona Ahy, ka tsy mankahala . . . tsy afaka ny ho mpianatro izy." Lazain’ny Tompontsika an-kolaka fa ireo lehilahy sy vehivavy izay tia Azy manokana, fatratra ary amim-panoloran-tena mihoatra noho izay fatorana akaiky indrindra eto an-tany ihany no hampiasainy amin’ny raharaha fanorenany. Hentitra ireo fepetra ireo, kanefa be voninahitra.
Hodinihin’Andriamanitra avokoa izay rehetra aorintsika. Ho hitan’Andriamanitra ao amin’ny afony izay mandinika lalina ve fa nanorina raharaha iray antsika manokana teo ambonin’ny fototr’i Jesosy isika? Andron’ny raharaha goavana izao, andro izay iezahantsika hiasa ho an’Andriamanitra, ary ao no misy ny fandrika. Raha tenenina lalina, dia tsy afaka miasa ho an’Andriamanitra mihitsy isika. Raisin’i Jesosy manontolo isika ho an’ireo raharaha Azy, ho an’ireo drafitra fanorenana Azy tanteraka, ary tsy misy fanahy manan-jo hitaky izay toerana tokony hametrahana azy.