NY FAHARETAN’NY FINOANA
“Satria nitandrina ny tenin’ny faharetako ianao.”
Apokalypsy 3:10
Mihoatra noho ny fiaretana ny faharetana. Eo an-tanan’Andriamanitra tahaka ny tsipìka sy zana-tsipìka eo an-tanan’ny mpandefa zana-tsipìka ny fiainan’ny olo-masina iray. Mikendry zavatra tsy hitan’ilay olo-masina Andriamanitra, ka sintoniny sy henjaniny izy, ary indraindray dia hoy ilay olo-masina — "Tsy zakako intsony." Tsy raharahain’Andriamanitra izany, fa tohizany ny fanenjanana mandra-pisehon’ny tanjony, dia alefany ilay zana-tsipìka. Apetraho amim-pitokiana eo an-tanan’Andriamanitra ny tenanao. Inona no ilanao faharetana dieny izao? Tazomy amin’ny faharetan’ny finoana ny fifandraisanao amin’i Jesosy Kristy. "Na dia vonoiny aza aho, dia mbola hiandry Azy ihany."
Tsy fihetseham-po mampalahelo ny finoana, fa fitokiana matanjaka sy mahery izay miorina amin’ny maha fitiavana masina an’Andriamanitra. Tsy afaka mahita Azy dieny izao ianao, tsy afaka mahatakatra izay ataony ianao, kanefa mahalala Azy. Tonga ny faharavan-tsambo rehefa tsy eo ilay fifandanjan-tsaina avy amin’ny fiorenana amin’ilay fahamarinana mandrakizay fa fitiavana masina Andriamanitra. Ezaka feno herim-po eo amin’ny fiainanao ny finoana, manipy ny tenanao amin’Andriamanitra ao anatin’ny fitokiana tsy matahotra izay hitranga ianao.
Nanao vy very ny zavatra rehetra tao amin’i Jesosy Kristy Andriamanitra mba hamonjena antsika, ankehitriny dia tiany hanao vy very ny zavatra rehetra ananantsika ao anatin’ny fitokiana mahafoy tena tanteraka Aminy isika. Misy toerana mbola tsy niasan’izany finoana izany tao anatintsika, dia toerana mbola tsy nokasihin’ny fiainan’Andriamanitra. Tsy nisy mihitsy izany toerana izany tao amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy, ary tsy tokony hisy ao amin’ny antsika. "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao." Ny tena hevitry ny fiainana mandrakizay dia fiainana afaka miatrika izay rehetra tsy maintsy atrehiny nefa tsy miahanahana. Raha mandray izany fomba fijery izany isika, dia manjary tantara mahavariana lehibe iray ny fiainana, dia fahafahana be voninahitra hahita zava-mahagaga mandrakariva. Mampiofana antsika Andriamanitra mba hitondra antsika ho ao amin’io toerana ivon’ny hery io.