FAHALALAHANA EO AMBONIN’NY HANTSAN’NY FILAZANTSARA
“Koa tomoera mafy amin’ny fahalalahana izay nanafahan’i Kristy antsika.”
Galatiana 5:1
Ny olona misaina araka ny Fanahy dia tsy hanatona anao mihitsy miaraka amin’ny fitakiana hoe — "Minoa izao sy izatsy;" fa miaraka amin’ny fitakiana mba hampifanarahanao ny fiainanao amin’ny fenitr’i Jesosy. Tsy angatahina hino ny Baiboly isika, fa hino Ilay asehon’ny Baiboly (ampit. Jaona 5:39-40). Nantsoina isika mba hitondra fahalalahan’ny feon’ny fieritreretana, fa tsy fahalalahan’ny fomba fijery. Raha afaka amin’ny fahalalahan’i Kristy isika, dia hoentina ho ao amin’izany fahalalahana izany koa ny hafa — dia ny fahalalahana mahatsapa ny fanapahan’i Jesosy Kristy.
Ataovy refesina amin’ny fenitr’i Jesosy mandrakariva ny fiainanao. Ampiondrika eo ambanin’ny ziogany irery ihany ny vozonao, fa tsy eo ambanin’izay zioga hafa na inona na inona; ary tandremo tsara mba tsy hamatoranao ny hafa amin’izay zioga tsy napetrak’i Jesosy Kristy mihitsy. Ela ny fotoana ilain’Andriamanitra hanafahana antsika amin’ny fahazarana mihevitra fa raha tsy mahita zavatra tahaka antsika ny olona rehetra, dia tsy maintsy ho diso izy ireo. Tsy izany velively no fomba fijerin’Andriamanitra. Iray ihany ny fahalalahana, dia ny fahalalahan’i Jesosy miasa ao amin’ny feon’ny fieritreretantsika ka manome hery antsika hanao ny marina.
Aza manary faharetana, tsarovy ny fomba nitondran’Andriamanitra anao — tamim-paharetana sy tamim-pahalemem-panahy; fa aza manalefaka ny fahamarinan’Andriamanitra mihitsy. Avelao hanatanteraka ny sitrapony izany ary aza mifona noho izany mihitsy. Hoy i Jesosy, "Mandehana ka manaova mpianatra," fa tsy "manaova olona hiova hanaraka ny hevitrareo."