NY FITSARANA EO AMBONIN’NY HANTSAN’NY FITIAVANA
“Fa tonga ny fotoana tsy maintsy hanombohan’ny fitsarana ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra.”
1Petera 4:17
Tsy tokony hohadinoin’ny mpiasa kristianina mihitsy fa eritreritr’Andriamanitra ny famonjena, fa tsy eritreritry ny olona; noho izany dia hantsana tsy hita noanoa izany. Ny famonjena no eritreritra lehiben’Andriamanitra, fa tsy zavatra niainana. Vavahady idiran’ny famonjena ao amin’ny fiainantsika tsapan’ny saina ihany ny zavatra niainana. Aza mitory ny zavatra niainana mihitsy; torio ilay eritreritra lehiben’Andriamanitra ao ambadik’izany. Rehefa mitory isika dia tsy manambara ny fomba ahafahan’ny olona ho voavonjy amin’ny helo ka ho tonga tsara fitondrantena sy madio; fa mampita vaovao mahafaly momba an’Andriamanitra isika.
Ao amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy dia asongadina mandrakariva ny lafiny fitsarana, izany no famantarana ny fitiavan’Andriamanitra. Aza miombom-pihetseham-po mihitsy amin’ny fanahy izay mahita fa sarotra ny manatona an’Andriamanitra, tsy Andriamanitra no tokony homen-tsiny. Tsy anjarantsika ny mamantatra ny antony mahasarotra izany, fa ny maneho ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fomba izay hampisehoan’ny Fanahin’Andriamanitra ny tsy mety. Ny fitsapana lehibe sy azo itokiana amin’ny fitoriana dia ny fitondrany ny olona rehetra ho amin’ny fitsarana. Ny Fanahin’Andriamanitra no mampifanatrika ny tsirairay amin’ny tenany.
Raha nanome didy antsika i Jesosy nefa tsy afaka nanome hery antsika hanatanteraka izany, dia ho mpandainga Izy; ary raha ataontsika sakana tsy hankatoavana ny tsy fahafahantsika, izany dia midika fa milaza amin’Andriamanitra isika hoe misy zavatra tsy nampidiriny tao amin’ny kajy. Tsy maintsy vonoin’ny herin’Andriamanitra ny singa rehetra amin’ny fianteherana amin’ny tena. Ny fahalemena sy ny fiankinana tanteraka no ho fotoana mandrakariva hanehoan’ny Fanahin’Andriamanitra ny heriny.