FANELANELANANA AM-BAVAKA MISOLO TOERANA NY HAFA
“Koa amin’izany, ry rahalahy, manana fahasahiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra amin’ny ran’i Jesosy isika.”
Hebreo 10:19
Mitandrema tsy hieritreritra fa ny fanelanelanana am-bavaka dia midika hoe mitondra ny fiombonam-pihetseham-pontsika manokana eo anatrehan’Andriamanitra sy mitaky Azy hanao izay angatahintsika. Ny fisoloan’ny Tompontsika toerana antsika ka niraisany tamin’ny fahotana no hany nahafahantsika nanatona an’Andriamanitra. Manana "fahasahiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra noho ny ran’i Jesosy."
Ny ditra ara-panahy no sakana tena mahatanteraka vokatra indrindra amin’ny fanelanelanana am-bavaka, satria mifototra amin’ny fiombonam-pihetseham-po amin’izay ao anatintsika sy ao anatin’ny hafa izay heverintsika fa tsy mila ampihavanina izany. Mihevitra isika fa misy zavatra sasany marina sy tsara toetra ao anatintsika izay tsy mila miorina amin’ny asa fampihavanana, ary ao amin’ilay sehatry ny "vongan-kevitra[1]" aterak’izany fiheverana izany indrindra no tsy ahafahantsika manao fanelanelanana am-bavaka. Tsy mampiray ny tenantsika amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ao amin’ny hafa isika, fa sosotra amin’Andriamanitra; vonona mandrakariva miaraka amin’ny hevitsika manokana isika, ary manjary fanomezam-boninahitra ny fiombonam-pihetseham-pontsika voajanahary ny fanelanelanana am-bavaka. Tsy maintsy tsapantsika fa ny firaisan’i Jesosy tamin’ny fahotana dia midika fiovana hatrany amin’ny fakany eo amin’ny fiombonam-pihetseham-pontsika rehetra. Ny fanelanelanana am-bavaka misolo toerana ny hafa dia midika fa amim-piniavana no anoloantsika ny fiombonam-pihetseham-pontsika voajanahary amin’ny olona hafa amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ao amin’izy ireo.
Maditra ve aho sa efa voasolo toerana? Ampihantaina ve aho sa tanteraka amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra? Misafoaka ve sa ara-panahy? Tapa-kevitra ny hanaraka ny lalako manokana ve sa tapa-kevitra ny hiray Aminy?