Fisaintsainana isan’andro

FANELANELANANA AM-BAVAKA VELONA

Mivavaha mandrakariva amin’ny fivavahana sy ny fangatahana rehetra ao amin’ny Fanahy.

Efesiana 6:18

Rehefa mandroso amin’ny fanelanelanana am-bavaka isika dia mety hahita fa hitaky vidiny lehibe kokoa amin’ny olona hafa noho izay noheverintsika ny fankatoavantsika an’Andriamanitra. Ny loza amin’izay dia ny hanomboka hanelanelana am-bavaka noho ny fiombonam-pihetseham-po amin’ireo olona izay nasandratr’Andriamanitra tsikelikely ho amin’ny sehatra hafa tanteraka ho valin’ny vavaka nataontsika. Isaky ny mihemotra tsy hiray amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ao amin’ny hafa isika ka hiverina hiombom-pihetseham-po amin’izy ireo, dia efa tapaka ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra, nataontsika sakana ny fiombonam-pihetseham-pontsika, ny fiheverantsika azy ireo, ary fananarana mafy an’Andriamanitra amim-piniavana izany.

Tsy azo atao ny mivavaka amin’ny fanelanelanana velona raha tsy azontsika antoka tanteraka Andriamanitra, ary ny tena mpanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia ny fiombonam-pihetseham-po sy ny fitsarana an-tendrony manokana. Ny firaisana amin’Andriamanitra no fanalahidin’ny fanelanelanana am-bavaka, ary isaky ny mitsahatra tsy miray Aminy isika, dia noho ny fiombonam-pihetseham-po izany, fa tsy noho ny fahotana. Tsy dia azo inoana fa hisakana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fahotana, fa ny fiombonam-pihetseham-po no hanao izany, dia ny fiombonam-pihetseham-po amin’ny tenantsika na amin’ny hafa izay mahatonga antsika hiteny hoe — "Tsy havelako hitranga izany zavatra izany." Eo no ho eo dia tafavoaka amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra isika.

Ny fanelanelanana am-bavaka dia tsy mamela anao hanana fotoana na faniriana hivavaka ho an’ilay "tenanao malahelo sady mamy." Tsy roahina ny fieritreretana ny tenanao, satria tsy eo akory izany ka tsy ilaina roahina; miray tanteraka sy amin’ny lafiny rehetra amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny hafa ianao.

Antson’Andriamanitra ho amin’ny fanelanelanana am-bavaka ny fahaiza-manavaka, fa tsy antso hitady fahadisoana velively.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana