NY FAHASOAVAN’NY TSY FAHAZOANA ANTOKA
“Tsy mbola naseho izay ho toetrantsika.”
1Jaona 3:2
Araka ny toetrantsika voajanahary, dia mirona hanao ny zava-drehetra ho araka ny kajy sy ny tarehimarika isika ka mihevitra ny tsy fahazoana antoka ho zavatra ratsy. Heverintsika fa tsy maintsy tonga amin’ny tanjona iray isika, kanefa tsy izany no toetran’ny fiainana ara-panahy. Ny toetran’ny fiainana ara-panahy dia ny fananantsika antoka ao anatin’ny tsy fahazoantsika antoka, ka tsy manao akany maharitra na aiza na aiza. Hoy ny saina mahazatra — "Eny àry, andeha hatao hoe tao anatin’izany toe-javatra izany aho . . ." Tsy afaka maka sary an-tsaina ny tenantsika ao anatin’izay toe-javatra mbola tsy niainantsika isika. Ny fahazoana antoka no mariky ny fiainana araka ny saina mahazatra: ny tsy fahazoana antoka feno fahasoavana no mariky ny fiainana ara-panahy. Ny fahazoana antoka an’Andriamanitra dia midika fa tsy manana antoka amin’ny lalantsika rehetra isika, tsy fantatsika izay mety hoentin’ny andro iray. Amin’ny senton’alahelo no ilazana izany matetika, kanefa tokony ho fanehoana fiandrasana mampangina ny fofonaina kosa izany. Tsy azontsika antoka ny dingana manaraka, fa azontsika antoka Andriamanitra. Raha vao mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, ka manao ny adidy akaiky antsika indrindra, dia fenoiny zavatra tsy ampoizina mandrakariva ny fiainantsika. Rehefa tonga mpiaro foto-pinoana iray isika, dia misy zavatra maty; tsy mino an’Andriamanitra isika, fa ny finoan-kevitsika momba Azy ihany no inoantsika. Hoy i Jesosy, "Raha tsy tonga tahaka ny zaza madinika ianareo." Fiainan’ny zaza ny fiainana ara-panahy. Tsy Andriamanitra no tsy azontsika antoka, fa izay hataony manaraka. Raha ny finoan-kevitsika ihany no azontsika antoka, dia manjary miseho ho ambony sy hentitra isika ary toy ny misy tombo-kase milaza fa farany tanteraka ny hevitsika; fa rehefa mifandray tsara amin’Andriamanitra isika, dia feno tsy fahazoana antoka mipoitra ho azy, sady mahafaly sy feno fiandrasana ny fiainana.
"Minoa Ahy koa," hoy i Jesosy, fa tsy hoe — "Minoa zavatra sasany momba Ahy." Apetraho Aminy ny zava-drehetra, tsy azo antoka amin’ny fomba be voninahitra ny fomba hidirany an-tsehatra, kanefa hiditra Izy. Mitoera ho mahatoky Aminy.