IZAY HO AZONAO
“Homeko anao ho babo ny ainao amin’ny toerana rehetra alehanao.”
Jeremia 45:5
Ity no tsiambaratelo tsy azo hozongozonina omen’ny Tompo an’ireo matoky Azy — "Homeko anao ny ainao." Inona moa no mbola irin’ny olona iray mihoatra noho ny ainy? Izany no tena ilaina. Ny hoe "Ny ainao ho babo" dia midika fa na aiza na aiza alehanao, na dia any amin’ny helo aza, dia hivoaka miaraka amin’ny ainao ianao, tsy misy na inona na inona afaka hanimba izany. Maro amintsika no voafandriky ny endrika ivelan’ny zavatra[1], tsy amin’ny fananana sy harena, fa amin’ny fitahiana. Tsy maintsy miala ireo rehetra ireo; kanefa misy zavatra ambony kokoa izay tsy mety mandalo — dia ilay fiainana izay "miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra."
Efa voaomana hamela an’Andriamanitra hitondra anao hiray Aminy ve ianao, ka tsy hiraharaha intsony izay antsoinao hoe zava-dehibe? Efa voaomana hahafoy tena tanteraka sy hamotsotra ve ianao? Miseho amin’ny fandavana hilaza izao ny fizahan-toetra ny fahafoizan-tena tanteraka — "Eny àry, ahoana ny amin’ity?" Mitandrema amin’ny vinavina. Raha vao avelanao hiditra ny hoe — Ahoana ny amin’ity? — dia midika izany fa mbola tsy nahafoy tena tanteraka ianao, tsy tena matoky an’Andriamanitra ianao. Raha vao mahafoy tena tanteraka ianao, dia tsy mieritreritra intsony izay hataon’Andriamanitra.
Ny hoe mahafoy tena tanteraka dia mandà tsy hanome ny tenanao ny fahafinaretana hanontany fanontaniana. Raha mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra ianao, dia miteny avy hatrany Izy hoe, "Homeko anao ho babo ny ainao." Ny mahatonga ny olona ho leo ny fiainana dia satria tsy nomen’Andriamanitra na inona na inona izy ireo, tsy azony ho babo ny ainy. Ny fahafoizan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra no lalana hivoahana amin’izany toe-javatra izany. Rehefa tonga marina amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra ianao, dia ianao no ho zavaboary gaga sy ravoravo indrindra eto an-tany; efa azony manontolo ianao ary nomeny anao ny ainao. Raha mbola tsy eo ianao, dia na noho ny tsy fankatoavana izany na noho ny fandavana tsy hanana fahatsorana ampy.